Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: NY OLAN’NY FAHARATSIANA - " Tompo Masina sy Marina ô, mandrapahoviana (…) ? "

Daty
Alahady 09 February 2025

Tsy ankehitriny ihany no iresahana momba ny olan'ny faharatsiana fa voaresaka ao amin'ny Soratra Masina koa izany.

Vakio ny Joba 30:26, Jer. 12:1, Jer. 13:22, Mal. 2:17, sy ny Sal. 10:1. Ahoana no anehoan ‘ireo andininy ireo fa mibahana eo amin'ny fanandraman'ny olombelona ny faharatsiana?

Mametra-panontaniana maro, izay mipetraka mandraka ankehitriny, ireo andalan-tSoratra Masina ireo. Ekena fa tsy izany mandrakariva, kanefa nahoana no toa ambinina matetika ny ratsy fanahy ary mahazo tombony amin'ny ratsy ataony ny mpanao ratsy? Nahoana ny olo-marina no iharam-pahoriana tokoa? Nahoana Andriamanitra no toa lavitra antsika, eny, miery aza indraindray?

Na inona na inona lazaintsika momba ireo fanontaniana ireo sy ny olan'ny faharatsiana, dia aoka tsy hohamaivanintsika ny ratsy. Tsy azontsika atao ny miezaka mamaha ny olana amin'ny fanalefahana ny toetry ny ratsy na fampihenana ny halehibeny eto amin'izao tontolo izao. Ratsy tokoa ny ratsy ary mankahala ny ratsy Andriamanitra, mihoatra noho fankahalantsika izany. Koa mahazo miray feo amin'ilay antsoantso manako eran'ny Soratra Masina isika eo anatrehan'ny faharatsiana sy ny tsy rariny miavosa eto amin'izao tontolo izao, manao hoe: "Tompo ô, mandra-pahoviana (...)?"

Vakio ny Mat. 27:46. Ahoana ny fahazoanao ny tenin'i Jesôsy eto? Inona no ambaran'izany momba ny fiantraika lalin'ny faharatsiana amin' Andriamanitra?

Na i Jesôsy aza, teo amin'ny hazo fijaliana, dia nametraka fanontaniana hoe: "Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?" - Mat. 27:46. Hitantsika manokana eto fa mandona an'Andriamanitra ny ratsy. Hita mazava izany fahamarinana mahagaga izany teo amin'ny hazo fijaliana izay niaretan'i Kristy fahoriana sy fahafatesana, izay niantontan'ny faharatsiana rehetran'izao tontolo izao teo Aminy.

Misy fanantenana na izany aza. Nandresy ny fototry ny ratsy, izany hoe i Satana, ny nataon'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana, ary amin'ny farany dia hamongotra ny ratsy tanteraka mihitsy aza. Nindramin'i Jesôsy ilay teny avy ao amin'ny Sal. 22:1, kanefa io salamo io dia miafara amin'ny fandresena.

Nisy fanantenana nandrandrain'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana, kanefa fanantenana tsy mbola tazany akory. Ahoana no hisintonantsika fampaherezana avy amin'izany fanandramany izany, rehefa tojo toe-javatra toy izany koa isika ka tsy mahatazana ny fanantenana eo alohantsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1:
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1:
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1:
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1:
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1:
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal