Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.

Daty
Alarobia 11 February 2026

"Ary ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin'i Kristy Jesôsy."- Fil. 4:7. Mila fiarovana ny fiainantsika anatiny. Mahaliana fa teny fampiasa eo amin'ny tafika no ampiasain'i Paoly ao amin'ny Fil. 4:7 mifandraika amin'ny fiadanan'Andriamanitra. Ny matoanteny grika (phroureo) dia entina ilazana miaramila miaro ny tanana amin'ny fanafihanlny fahavalo (2 Kol. 11:32; ampitahao amin'ny Asa 9:24). Lafiny iray tena manan-danja amin'ny fiadanana anaty ny fiainana mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra. "Be fiadanana izay tia ny lalàanao; ary tsy misy mahatafintohina azy." - Sal. 119:165.

Vakio ny Fil. 4:8,9. Inona avy ny asa manokana asaina ataontsika eto? 

Atombok'i Paoly amin'ny teny hoe "farany" ny Fil. 4:8,9, avy eo mitanisa toetra tsara enina izy, arahin'ny famintinana fohy ary fampirisihana hanaraka ny ohatra nasehony. Mifanaraka tsara amin'ny tontolon-kevitry ny kolontsaina grika-romans tany Filipy io fampirisihana io, izay manasongadina ny soatoavina sy ny oha-piainana tsara. Mahaliana anefa, fa ireo toetra tsara ara-Baiboly no tsindriana eto, izay hita mazava amin'ny tsy nanononan'i Paoly ireo soatoavina grika efatra fototra (ny fahamalinana, ny rariny, ny fahalalana onony, ary ny herim-po). :

1. Marina  Tsy kisendrasendra ny hoe manomboka amin'ny toetra fototra ara-Baiboly, dia ny fahamarinana ny lisitra, izay nasongadin'i Jesôsy ("Lazaiko aminareo marina tokoa...') sy ny TV matetika (jereo, ohatra, ny Asa 26:25; Ram. 1:18; 1 Icor. 13:6; 2 Kar. 4:2; Efes. 4:15; 1 Tim.3:15; Jak. 1:18; 1 Pet. 1:22; 1 Jao. 2:21).

2. Manan-kaja — Ny teny grika nadika teto dia manondro toetran'ny tena manokana (ampitahao amin'ny fampiasana izany hafa ao amin'ny 1 Tim. 3:8,11; Tit. 2:2, izay nadika hoe "maotona").

3. Mahitsy — Ity toetra ity dia ny toetran'Andriamanitra feno fahitsiana no mamaritra azy (ampitahao amin'ny fampiasana azy ao amin'ny Fil. 1:7 [marina]).

4. Marina — Fisainana sy asa vokatry ny fahamarinan'Andriamanitra izay anamarinana antsika amin'ny finoana (jereo ny 1 Jao. 3:3). 
5. Mahate-ho-tia — Hatsaran-tarehy, toetra kanto hita betsaka eo amin'ny zavaboarin'Andriamanitra. 
6. Tsara laza —"Tsara fanahy sy tsara tarehy ary mahalala fomba" (Amplified Bible, Classic Edition AMPC).

Mbola nampian'i Paoly toetra tsara roa fanampiny izany, mba tsy hisy hevitra avy amin'ny fanompoan-tsampy azo ampifandraisina amin'ireo soatoavina ireo: "raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera" Fil. 4:8, hoy izy, dia natao hisaintsaina zany sotoavin'ny lanitra izany isika. Avy eo, mba hanesorana ny fisalasalana rehetra sy ny mety ho tsy fahatakaran-kevitra, dia miantso antsika i Paoly mba hampihatra izay efa nianarantsika sy noraisintsika sy rentsika ary hitantsika avy amin'ny oha-piainany (Fil. 4:9). 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal