Vakio ny Fil. 3:20,21. Ahoana no amaritan'i Paoly mazava ny toetoetry ny "olom-pirenena" kristianina?
Tsy tahaka ireo fahavalon'ny hazo fijaliana, izay "misaina ny an'ny tany" ary "ny kibony no andriamaniny" (Fil. 3:19), ny fanjakan'ny Kristianina kosa dia any an-danitra, ary i Jesosy Kristy mihitsy no Mpanjakantsika. Mba hanamafisana izany dia asongadin'l Paoly fa ity tenan ny fietren-tenantsika» ity (Fil. 3:21), izay mety ho tratry ny aretina, ny fahanterana, ary ny fahafatesana, dia mila ovana hitovy amin'ny tenan'i Kristy, izay tena be voninahitry ny fitsanganana amin'ny maty.
Ahoana no amaritan'ireto andininy manaraka ireto ny toetoetr'izany hoe tenan'ny voninahitra izany?
Joba 19:25-27…………………….……………………………….……………………………….…………
Lio, 24:39………………………….……………………………….……………………………….…………
1 Kor. 15:42-44…………………….……………………………….……………………………….……….
1 Kor. 15:50-54…………………….……………………………….……………………………….……….
Kol. 3:4…………………….……………………………….……………………………….………………….
Amin'ny farany dia horesen'i Jesosy ny fahafatesana, ilay «fahavalo farany» (1 Kor. 15:26). Ary izany no fanantenantsika lehibe indrindra, sy teny fikasana faratampony nomena antsika ao amin'i Jesosy tsy ny fiafaran'ny fahafatesana ihany fa ny tenantsika ho vaovao tanteraka, eny, ho «tenan'ny voninahitra» (Fil. 3:21).
Ao amin'ny boky iray, izay miresaka ny amin'ny fomba ahazoana «famonjena>> tsy misy an Andriamanitra, izay hevitra adaladala ihany, dia niaiky ilay mpanoratra antsoina hoe Luc Ferry fa ny fivavahana kristianina «no ahazoana mandresy ny tahotra ny fahafatesana, ary tsy izay ihany fa ahafahana mandresy ny fahafatesana mihitsy aza. Ary satria fandresena isam-batan'olona no resahin'ny fivavahana kristianina izany hoe tsy ho faty ny maha izy ny tsirairay - fa tsy fandresena faobe na manjavozavo, dia tsy misy afa-tsy izany no manome antsika olombelona mety maty fandresena faratampony ny fahafatesana.>>- Luc Ferry. A Brief History of Thought (New York: HarperCollins, 2011, Kindle edition), t. 90. Fiaikena lehibe tokoa izany, avy amin'ny olona tsy mino ny fisian'Andriamanitra.
Koa, ho an'i Paoly, dia antsika miaraka amin'ny maha olon'ny fanjakan'ny lanitra antsika ny teny fikasana momba ny fitsanganana amin'ny maty sy ny fiainana mandrakizay, izay fiainana vaovao zara raha takatry ny saintsika ankehitriny.
Nahoana no iankinan'ny foto-pinoantsika iray manontolo ny teny fikasana momba ny fiainana mandrakizay? Inona no azon'izao tontolo izao omena antsika, ka mendrika ny hatakalontsika izay atolotr'l Kristy ho antsika?