Misy akony betsaka amin'ny fomba fanazavantsika ny Soratra Masina ireo hevitra mibahana mialoha ao an-tsaintsika. Ireo izay mihevitra ny Baiboly ho fitambarana antontan-taratasy tranainy fotsiny dia tsy mahita ny fifandraisana sy ny firindrana misy eo amin'ireo boky samihafa ao aminy. Fa raha raisintsika ho fitsipika fototra ny hoe: "Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa"- 2 Tim. 3:16, dia ho takatsika ny firaisan'ireo hafatra ao aminy ary ny Baiboly no havelantsika hanazava ny tenany.
Vakio ny Mat. 5:17-48. Ahoana no nanazavan'i Jesôsy ireo fampianarana ao amin'ny TT voaresaka ao amin'ireo andininy ireo?
Ny famakiana maimaika ny Mat. 5:17-48 dia mety hahatonga ny olona hihevitra fa nosoloan'i Jesosy fampianarana vaovao ny fampianaran'ny TT. Kanefa, raha vakina amim-pitandremana kokoa izany, dia hita mazava fa nasehon'i Jesosy ny hevitra lalina sy ara-panahin'ireo fampianarana ao amin'ny TT. Amin'io heviny io dia tanterahiny ilay teny fikasana ao amin'ny Jer. 31:31-33, fa ao amin'ny fanekena vaovao dia hataon'Andriamanitra ao an-tsain'ny olony ny lalàny ary hosoratany ao am-pony (ampitahao amin'ny Heb. 8:8-10 sy ny Heb. 10:16).
Indraindray ny fanazavana ny andalan-teny iray dia hita ao anatin'ilay boky misy azy ihany. Ohatra, ao amin'ny Daniela toko faha-2 dia aseho aloha ny fanoritsoritana momba ny nofy saro-pantarin'i Nebokadnezara mpanjaka (Dan. 2:31-35), ary avy eo dia omena ny hevitr'ilay nofy (Dan. 2:36-45). Toy izany koa ao amin'ny Mat. 13; hitantsika ny fanoharana momba ilay mpamafy (Mat. 13:1-9), ary avy eo dia omen'i Jesôsy ny fanazavana azy (Mat. 13:18-23).
Indraindray koa, mpaminany tatỳ aoriana no manazava ny hafatra iray. Ohatra, ny 2 Tant. 36:21,22 dia manamafy ny fahatanterahan'ilay faminaniana momba ny fitopolo taona, izay efa nambaran'i Jeremia ao amin'ny Jer. 25:11,12 sy ny Jer. 29:10. Ankoatra izany, maro amin'ireo tandindona sy aloka ao amin'ny TT no tanteraka tao amin'i Kristy, ary maro amin'ireo andalan-teny ao amin'ny TT no hazavaina ao amin'ny TV.
Hoy i Ellen G. White: "Filazantsara aseho amin'ny alalan'ny tandindona sy ny aloka ny TT. Ny TV kosa no fahatanterahan'izany. Samy ilaina avokoa izy roa tonta." — SIM, b. 2, t. 104. Eny tokoa, ny TV no tsindrimandry avy amin'Andriamanitra manazava ny TT.
Nahoana no mila mitandrina ny amin'ireo hevitra mibahana mialoha ao an-tsaintsika isika rehefa mandinika ny Baiboly? Izao kosa no zava-dehibe tokony ho ao an-tsaintsika: matoky aho fa tenin'Andriamanitra ny Baiboly, ary izy no tokony hanitsy ahy fa tsy izaho no hanitsy azy. Nahoana?