Vakio ny Isa. 65:17-20. Inona no hevitry ny hoe: any amin'ny lanitra vaovao sy tany vaovao dia "mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza"? - Isa. 65:20.
Raha esorina amin'ny tontolo ara-tantara nisy azy ny Isa. 65:20, dia mora ny mihevitra fa mbola hisy fahafatesana sy mpanota any amin'ny lanitra vaovao sy tany vaovao. Kanefa mifanohitra amin'ny teny fikasana nomen'i Isaia izany, hoe: "Ho velona indray ny olonao izay efa maty" - Isa. 26:19, ary koa: "Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana" - Isa. 25:8 (Isa. 65:19).
Mazava loatra fa sarin-teny no ampiasaina ao amin'ny Isa. 65:20. Iza moa no mbola atao hoe zatovo nefa efa zato taona? Rehefa vakina ao anatin'ny tontolo ara-tantara misy azy ny Isa. 65:17-20, dia hita fa maneho amin'ny endrika tononkalo ny fitahiana homen'Andriamanitra ny firenen'ny Isiraely io andininy io, raha mitoetra ho mahatoky amin'ny fanekena izy ireo (ampitahao amin'ny Deo. 28). Tahaka an'i Jesôsy ao amin'ny Mat. 24, izay mampifandray ny tranga akaiky amin'izay mbola hitranga any aoriana, dia manao toy izany koa i Isaia eto, mampiseho fa izay hitranga amin'izao fotoana izao dia santatry ny lanitra vaovao sy tany vaovao ho avy.
Ao amin'ny bokin'i Isaia dia tsy tranga any amin'ny hoavy fotsiny ny famoronana vaovao. Efa miseho ankehitriny izany amin'ny alalan'ny asa be voninahitra ataon'Andriamanitra amin'ny fanavotana sy famelan-keloka. Manambara io andininy io fa "dieny izao" aza, eo amin'ny fiainan'ny Isiraely, dia efa eo am-pandresena ny fahafatesana Andriamanitra. Aseho izany hevitra izany amin'ny alalan'ny teny fikasana momba ny fahalavan'ny andro iainana sy ny fanafoanana ny fahafatesan'ny zaza ("na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy andro"- Isa. 65:20). Izany rehetra izany dia tandindon'izay hitranga any am-parany avokoa.
Vakio ny 1 Kôr. 16:20. Ahoana no ampiharantsika io andininy io amin'izao andro sy kolontsaintsika izao?
Teo amin'ny kolontsaina grika tamin'ny andron'ny TV, ny fifampiarahabana teo amin'ny mpihavana sy ny mpinamana akaiky dia miaraka amin'ny fifanorohana. Nasain'i Paoly nampiharin'ny mpino kristianina izany fifampiarahabana feno hafanana sy fitiavana izany ao amin'ny Rôm. 16:16, 1 Kôr. 16:20, 2 Kôr. 13:12, ary ny 1 Tes. 5:26. Araka ny tontolon-kevitra eto, azontsika tsoahina avy amin'ireo andininy ireo ity foto-kevitra ara-Baiboly ity: tokony hifampiarahaba amim-pitiavana ny mpino, amin'ny fomba ahatsapan'ny tsirairay ho isan'ny ankohonan'Andriamanitra. Mety tsy ho azo ekena amin'ny kolontsaina sasany anefa ny fifanorohana, fa ny fifandraisan-tanana, ny fifamihinana, na ny fiankohofana amim-panajana no mety kokoa. Na inona na inona anefa kolontsaina misy, dia mampirisika antsika i Paoly mba hahatonga ny olona hahatsapa fa raisina amim-pitiavana ao amin'ny fiangonana izy ireo.