Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.

Daty
Alahady 17 August 2025

TEO AN-TENDROMBOHITRA SINAY

Vakio ny Eks. 19:1-8. Inona no nampanantenain'Andriamanitra azy ireo teo an-pototry ny tendrombohitra Sinay?

Nitarika ny Isiraelita hankeo an-tendrombohitra Sinay Andriamanitra; eo no hanomezany azy ireo ny Didy folo. Tao Jebel Musa (haavo: 2285m) no nihaonan'i Mosesy imbetsaka tamin'Andriamanitra (ohatra: Eks. 3:1; Eks. 19:2; Eks. 24:18) ary nihaona tamin'Andriamanitra teo koa i Elia taona maro taty aoriana (1 Mpanj. 19:8). Teo amin'io tendrombohitra io koa no niantsoan'Andriamanitra an'i Mosesy mba hitarika ny Isiraely hivoaka an'i Egypta (Eks. 3:1, 10). Tamin'izany fotoana izany no nampahafantaran'Andriamanitra an'i Mosesy fa hiankohoka Aminy miaraka amin'ireo Isiraely afaka eo amin'io toerana io izy, ary izany no ho famantarana ho azy (Mosesy) fa ilay Andriamanitr'i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba no nitantana azy ireo (Eks. 3:12).

Rehefa avy nandeha nandritra ny roa volana ny Isiraelita, dia tonga tao Sinay (Eks. 19:1), izay hitoeran'izy ireo mandritra ny herintaona eo ho eo (ampitahao amin'ny Eks. 19:1 ny Nom. 10:11,12). Lalàna maro no nomena azy ireo nandritra io herintaona io, araka izay voalaza ao amin'ny Eks. 19-40 sy ny Lev. 1-27 агу пу Nom. 1:1-10:10. Ny fijanonan'ny zanak'lsiraely tao Sinay no ampahany manan-danja indrindra ao amin'ny fitantaran'ireo boky dimy voalohany nosoratan'i Mosesy. Eo no fanorenan'ny fahatongavan'izy ireo ho vahoaka voafidin'Andriamanitra, ilay hany firenena tsy tafalatsaka tao anatin'ny fanompoan-tsampy.

Nanao dingana voalohany Andriamanitra ary nanorina fanekena teo Aminy sy ny Isiraely. Ny fankatoavana sy ny fihazonan'izy ireo ny fifandraisana Aminy no fepetra napetrak' Andriamanitra hahatanterahan'ny Fampanantenany ny hanao azy ireo ho rakitra soa ho Azy sy ho fanjakà-mpisorona ary firenena masina.

Ny hoe firenena masina dia midika ho vahoaka voatokana ho an' Andriamanitra ary koa maneho ny Toetrany amin'ny hafa, indrindra amin'ireo firenena manodidina. Nantsoina koa izy ireo mba ho fanjakà-mpisorona izay hampifandray ny vahoaka hafa amin'Andriamanitra sy hitarika azy ireny ho eo Aminy ary hampianatra azy ny Lalany sy ny Didiny. Natao rakitra soa ho Azy Isiraely satria niriny ny hahatonga azy ireo ho fantsona hanapariaka fahazavana amin'izao tontolo izao amin'ny fahalalana Azy sy ny Toetrany.

Izany fanekena izany no fanorenana ara-dalána ny fifandraisana eo amin' Andriamanitra sy ny olony. Tahaka izao ny fanambarana ankapobeny mandrafitra ny fanekena, izay ahitana fiovana kely arakaraka ny tontolon-kevitra: "Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko" (jereo ny Eks. 6:7; Lev. 26:12; Jer. 24:7; Jer. 31:33; Heb. 8:10; Apôk. 21:3).

Alao sary an-tsaina izany hoe "rakitra soa" ho an'Andriamanitra! Inona no tombontsoa manokana ao anatin'izany? Inona kosa no andraikitra manokana raisinao eo anatrehan'izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal