Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8 : NY SAFIDY MALALAKA, NY FITIAVANA, ARY NY FITANTANAN'ANDRIAMANITRA - Efa naharesy izao tontolo izao Kristy.

Daty
Alakamisy 20 February 2025

Raha nitranga araka ny "idealy sitrapon'Andriamanitra" ny zavatra rehetra dia tsy ho nisy ny faharatsiana fa fahasambaran'ny fitiavana sy ny firindrana tonga lafatra no ho teo amin'ny toerany. Indray andro any dia haverina ho amin'izany sitrapon'Andriamanitra tonga lafatra izany izao tontolo rehetra ary izao. Mandra-pahatonga izany fotoana izany dia manatanteraka ny sitrapony Andriamanitra amin'ny fomba izay tsy manao tsinontsinona ny fanapahan-kevitra raisin'ny voariny amin- kalalahana.

Alao sary an-tsaina ny fifaninanana iray momba ny fanaovana mofomamy, izay itakiana ny mpandray anjara rehetra mba hampiasa taharo maromaro efa voafaritra. Azon'izy ireo atao anefa ny manampy taharo hafa izay tiany mba hamoahana izay karazana mofomamy tiany hatao. Amin'ny farany, na inona na inona mofomamy namboarin'ilay mpanao mofo dia tsy maintsy hamaritra amin'ny ampahany ny mofomamy namboariny ireo taharo izay tsy nofidiny fa notakina hampiasainy.

Tahaka izany koa, noho ny faneken'Andriamanitra hanaja ny fahalalahan'ny voariny, izay takin'ny fitiavana, dia maro amin'ireo "taharo" mandrafitra ny tantaran'izao tontolo izao no tsy nofidin'Andriamanitra fa mifanohitra amin'izay niriny aza.

Araka izany fomba fijery izany, ny fitantanan'Andriamanitra dia tsy mahakasika Azy irery toy ny hoe Izy irery no mifehy ny zava-miseho rehetra. Tsy izany, fa mitaky lafiny гоа (farafahakeliny) amin'ny fomba fijery ny fitantanan'Andriamanitra izany. Andriamanitra no mahatonga ny fisehoan-javatra sasany eto amin'izao tontolo izao, fa ny toe-javatra sasany kosa dia vokatry ny safidy malalaka nataon'ny voary (tahaka izany koa ny ratsy rehetra). Zavatra maro no miseho nefa tsy tian'Andriamanitra hiseho.

Vakio ny Jao. 16:33. Inona ny fanantenana atolotr'ireo teny ireo antsika na dia eto anivon'ny fahoríana mara aza?

Mety hihozongozona ny finoan'ny olona, indrindra ao anatin'ny fotoam-pahoriana na ny fotoam-pitsapana, satria finoan-diso no tanany ka mahatonga azy hihevitra fa tokony hesorin Andriamanitra tsy ho eo amin'ny fiainany eto ny fahoriana sy ny fitsapana. Tantara samy hafa tanteraka anefa no tantarain'i Jesõsy amintsika, izay mampitandrina ny mpanara-dia azy fa handalo ny fanandraman'ny fizahan-toetra sy fahoriana izy ireo eto amin'ity tontolo ity nefa misy ny fanantenana satria efa naharesy izao tontolo izao i Kristy (Jao. 16:33).

Ny fiatrehantsika fahoriana sy fitsapana dia tsy midika fa izany tokoa no fanirian'Andriamanitra ho antsika. Aoka hohazonintsika ao an-tsaina mandrakariva ny toe-javatra lehibe ao ambadik'izany: ny fifanandrinana lehibe. Na izany aza, dia azontsika atao ny matoky fa na dia tsy mahasoa aza ny ratsy dia azon'Andriamanitra atao ny mamoaka zava-tsoa ho antsika avy amin'ny toe-javatra ratsy. Ary raha matoky an'i Jehôvah isika, dia azony ampiasaina na dia ny fahoriantsika aza mba hanintonana antsika hanakaiky Azy bebe kokoa ary mba handrisihana antsika hiantra sy hiahy ny hafa.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal