Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: TANTERAKA IREO FAMINANIAN’NY TESTAMENTA TALOHA - Famantarana, asa, fahagagana

Daty
Alahady 17 November 2024

Ankoatra ireo fahagagana manokana notantarain'i Jaona mba hanehoana ny maha-Mesia an'i Jesôsy , dia nomeny toerana lehibe koa ny amin'ireo adihevitra mikasika ireo famantarana sy asa ary fahagagana nataon'i Jesôsy.

Tsy dia porofon'ny maha-Mesia Azy loatra raha ireo famantarana sy fahagagana ireo fotsiny, satria nisy mpaminany maro, ary sandoka indraindray, nahavita fahagagana koa. Tsy nosoratan'i Jaona avokoa ireo famantarana nataon'i Jesôsy satria tsy manondro afa-tsy mpahay fahagagana fotsiny izany. Manana toetra manokana kosa ireo famantarana nofidin'i Jaona hosoratana satria manondro an'i Jesôsy ho Mesia izany, sy manambara fa avy amin'Andriamanitra Ray tokoa Izy.

Vakio ny Jao. 5:17,20,36-38. Ahoana no anoritsoritan'ireo andininy ireo ny fifandraisana misy eo amin'i Jesôsy sy Andriamanitra Ray, indrindra ao anatin'ny tontolon-kevitr'ireo famantarana?

Nampiasa famantarana i Jesôsy mba hanehoana ny fiarahany miasa akaiky amin'ny Ray. Iray ihany Izy ireo. "Ny Ray no ato amiko, ary izaho ao amin'ny Ray", izany no nasehon'ny asany (Jao. 10:38; jereo koa ny Jao. 14:10,11.)

Ny hanao ny asan'llay naniraka Azy no nahatongavan'i Jesôsy , mba ho hitan'izao tontolo izao ireo asa ireo. Izany hoe, tonga Izy mba hanao ny asa nanirahan'ny Ray Azy hataony, ary ny asa nataony dia nanamarina sy nanambara mazava fa avy amin'ny Ray tokoa Izy.

Araka ny efa hitantsika, na teo aza ireo famantarana lehibe sy fanambarana avy amin'ny olona maro, dia mbola nifidy ny tsy hino Azy ihany ny olona.

Nanontany an'i Jesôsy toy izao ireo mpitondra fivavahana: "Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Hianao no Kristy, dia lazao marimarina aminay. Jesôsy namaly azy hoe: Efa nilaza taminareo ihany Aho, nefa tsy nino hianareo; ny asa izay ataoko amin'ny anaran'ny Raiko no manambara Ahy." - Jao. 10:24,25.

Raha nilaza mahitsy sy mivantana i Jesôsy fa Izy no Mesia dia ho nitady izao zavatra rehetra izao ireo mpitondra fivavahana hanoherana Azy ka ho nitambatra namely Azy. Fantatr'i Jesôsy izany, koa ny asany no nasehony azy. Raha toa ka nilaza i Jesôsy fa Izy no Kristy dia ho mora foana tamin'izy ireo ny nandà izany. Fa raha ny famantarana sy ny asa ary ny fahagagana kosa, hataony ahoana no fandà izany? Fanambarana mahery vaika ireo, milaza ny maha-lzy Azy sy ny niaviany.

Ahoana no hiarovantsika ny tenantsika tsy ho mafy fo tahaka ireto mpitondra fivavahana ireto? Amin'ny fomba ahoana no mety hanoherantsika ny asan'Andriamanitra koa eo amin'ny fiainantsika.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal