Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Fanantenana eo anivon’ny hotakotaka.

Daty
Alatsinainy 26 May 2025

Ara-tandindona ny ankamaroan'ny fomba fiteny ampiasaina ao amin'ny bokin'ny Salamo. Raha mahakasika ny fiteny miresaka ny fanavaozana ity planetantsika ity kosa dia tsy tokony hino isika fa fiteny ara-tandindona fotsiny ihany izany. Ampahatsiahivin'ny Sal. 46 antsika fa hisy fiantraikany lalina amin'io tany hitsahintsika io ny fiverenan'i Kristy fanindroany. Tsy hiantraika amin'ireo vatolampy sy ranomasimbe irery ihany anefa izany; ny toe-javatra faratampon'ny tantaran'ny tany dia midika ho firodanan'ireo fanjakana eto an-tany - ireo rafitra tsizarizarin'ny fitondram-panjakan'olombelona izay nampitondra fahoriana teto an'arivo taona maro.

Amin'ny farany dia ho fongana tanteraka ireo fahefana ireo sy ny faharatsiana ary ny fahoriana rehetra nampitondrainy ny taranak'olombelona.

Vakio ny Jer. 4:23-26. Inona no ambaran'izany mikasika ny anjara miandry an'izao tontolo izao, farafahakeliny mandra-pisian'ny "lanitra vaovao sy tany vaovao" - Apôk. 21:1?

Asehon'ny faminanian'ny Baiboly amintsika izay hitranga amin'ity tontolo ity. Ny fahitana ao amin'ny Dan. 7, ohatra, dia mampiseho amintsika ranomasina misamboaravoara izay ipoiran'ireo firenena eto amin'izao tontolo izao. Rivotry ny ady sy ny fifandonana no mitsoka eo amin'ny ranomasina Jentilisa (ny tany), ka miteraka fanjakana mifandimby, nefa tsy misy na iray aza amin'izy ireo mahavaha ny olana mianjady amin'ny taranak'olombelona. Ireo mpitondra eto an-tany izay itokiantsika dia maneho mandrakariva ny maha-mpanota sy tia tena azy ireo, tahaka antsika ihany.

Tsy misy na iray aza amin'ireo fanjakana naseho an'i Daniela azo lazaina ho fialofana azo antoka ho an'ny vahoakan'Andriamanitra (na dia tsara kokoa noho ny hafa aza ny sasany). Fantatsika anefa fa vahoakan'ny fanjakan'Andriamanitra isika (Fil. 3:20), ary any ankoatra ambonin'ny korontana misy eto amin'ity planeta ity dia misy seza fiandrianana izay tsy azo hozongozonina (jereo ny Ezek. 1:26). Nampianarin'i Jesôsy fa hisavorovoro kokoa izao tontolo izao arakaraka ny maha-antomotra ny fotoana hiverenan'i Kristy (Mat. 24); azontsika atao anefa ny mifikitra mafy amim-pinoana na inona na inona mitranga eto amin'ny planeta misy antsika noho ny fahafantarantsika fa mifehy ny toe-javatra Andriamanitra ary hanatanteraka ny teny fikasany: "Nitabataba ny firenen-tsamy hafa, nikotrankotrana ny fanjakana maro; nanonona ny feony Izy, ka niempo ny tany. Jehôvah, Tompon'ny maro, no momba antsika; Andriamanitr'i Jakôba no fiarovana avo ho antsika." - Sal. 46:6,7. Amin'izao fotoana izao, dia tsy tsara ny fizotry ny toe-javatra ary tsy hihatsara izany. Ho tahaka izany mandrakariva ve? Noho ny amin'i Jesôsy dia ho hafa tanteraka ny hoavy.

Tsy isalasalana fa toa mihotakotaka sy tsy ho voafehy ny fahitana ity tontolontsika ity. Ahoana no anampian'ny faminaniana ao amin'ny Dan. 7 antsika hahita fa ho tsara ny fiafaran'ny toe-javatra raha mitoetra ho mahatoky isika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (55)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal