Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Fanantenana eo anivon’ny hotakotaka.

Daty
Alatsinainy 26 May 2025

Ara-tandindona ny ankamaroan'ny fomba fiteny ampiasaina ao amin'ny bokin'ny Salamo. Raha mahakasika ny fiteny miresaka ny fanavaozana ity planetantsika ity kosa dia tsy tokony hino isika fa fiteny ara-tandindona fotsiny ihany izany. Ampahatsiahivin'ny Sal. 46 antsika fa hisy fiantraikany lalina amin'io tany hitsahintsika io ny fiverenan'i Kristy fanindroany. Tsy hiantraika amin'ireo vatolampy sy ranomasimbe irery ihany anefa izany; ny toe-javatra faratampon'ny tantaran'ny tany dia midika ho firodanan'ireo fanjakana eto an-tany - ireo rafitra tsizarizarin'ny fitondram-panjakan'olombelona izay nampitondra fahoriana teto an'arivo taona maro.

Amin'ny farany dia ho fongana tanteraka ireo fahefana ireo sy ny faharatsiana ary ny fahoriana rehetra nampitondrainy ny taranak'olombelona.

Vakio ny Jer. 4:23-26. Inona no ambaran'izany mikasika ny anjara miandry an'izao tontolo izao, farafahakeliny mandra-pisian'ny "lanitra vaovao sy tany vaovao" - Apôk. 21:1?

Asehon'ny faminanian'ny Baiboly amintsika izay hitranga amin'ity tontolo ity. Ny fahitana ao amin'ny Dan. 7, ohatra, dia mampiseho amintsika ranomasina misamboaravoara izay ipoiran'ireo firenena eto amin'izao tontolo izao. Rivotry ny ady sy ny fifandonana no mitsoka eo amin'ny ranomasina Jentilisa (ny tany), ka miteraka fanjakana mifandimby, nefa tsy misy na iray aza amin'izy ireo mahavaha ny olana mianjady amin'ny taranak'olombelona. Ireo mpitondra eto an-tany izay itokiantsika dia maneho mandrakariva ny maha-mpanota sy tia tena azy ireo, tahaka antsika ihany.

Tsy misy na iray aza amin'ireo fanjakana naseho an'i Daniela azo lazaina ho fialofana azo antoka ho an'ny vahoakan'Andriamanitra (na dia tsara kokoa noho ny hafa aza ny sasany). Fantatsika anefa fa vahoakan'ny fanjakan'Andriamanitra isika (Fil. 3:20), ary any ankoatra ambonin'ny korontana misy eto amin'ity planeta ity dia misy seza fiandrianana izay tsy azo hozongozonina (jereo ny Ezek. 1:26). Nampianarin'i Jesôsy fa hisavorovoro kokoa izao tontolo izao arakaraka ny maha-antomotra ny fotoana hiverenan'i Kristy (Mat. 24); azontsika atao anefa ny mifikitra mafy amim-pinoana na inona na inona mitranga eto amin'ny planeta misy antsika noho ny fahafantarantsika fa mifehy ny toe-javatra Andriamanitra ary hanatanteraka ny teny fikasany: "Nitabataba ny firenen-tsamy hafa, nikotrankotrana ny fanjakana maro; nanonona ny feony Izy, ka niempo ny tany. Jehôvah, Tompon'ny maro, no momba antsika; Andriamanitr'i Jakôba no fiarovana avo ho antsika." - Sal. 46:6,7. Amin'izao fotoana izao, dia tsy tsara ny fizotry ny toe-javatra ary tsy hihatsara izany. Ho tahaka izany mandrakariva ve? Noho ny amin'i Jesôsy dia ho hafa tanteraka ny hoavy.

Tsy isalasalana fa toa mihotakotaka sy tsy ho voafehy ny fahitana ity tontolontsika ity. Ahoana no anampian'ny faminaniana ao amin'ny Dan. 7 antsika hahita fa ho tsara ny fiafaran'ny toe-javatra raha mitoetra ho mahatoky isika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (41)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal