Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.

Daty
Alahady 22 February 2026

Vakio ny Kol. 1:21,22. Inona no tian'i Paoly hambara amin'ny hoe: "olon-ko azy" sy hoe "fahavalo"? Ary inona no vokatra antenaina amin'ny alalan'ny fahafatesan'i Kristy (jereo koa ny Efes. 5:27)

Sary manjombona hatrany no anehoan'i Paoly ny olombelona, farafahakeliny rehefa misaraka amin'ny fahamarinan' Kristy. Ary iza ankehitriny, efa ho roa arivo taona aty aoriana, no tsy mahatsapa izany? Nisy olona iray nilaza toy izao indray mandeha: raha misy foto-pampianarana kristianina iray ízay tsy mila finoana dia ity: mpanota ny olombelona.

Na izany aza, hatramin'ny fotoana nidiran'ny ota, dia efa nanao ny dingana voalohany hihavanana amintsika Andriamanitra, na ratsy toy inona aza isika. Izany hoe, hatrany am-piandohana, dia niasa hamaha ny olan'ny ota Andriamanitra, na ny fahafatesany teo amin'ny hazo fijaliana ihany aza no hany hita ho vahaolana.

Tany Edena dia niantso an'i Adama, sanganasany, Izy nanao hoe: "Aiza moa hianao?"- Gen. 3:9. Ary mbola mitady antsika ondriny very Izy ankehitriny. Tadiaviny tsirairay isam-batan'olona isika. Manana drafitra tonga lafatra Izy mba hanatonana antsika, ho fanatanterahana ilay teny fikasana fototry ny filazantsara ao amin'ny Genesisy 3:15, ny hampifandrafy antsika sy i Satana.

Mazána hasarotina sy atao resaka fotsiny ny filazantsara ka zara raha misy heviny amin'ny fiainana amin'izao taonjato faha-21 izao. Nefa, raha ny marina, tena tsotra sy mazava izany.

Misy fizarana telo ny filazantsara:

Voalohany, satria tsy mahay mamonjy ny tenantsika isika, dia tonga i Jesosy ary maty noho ny fahotantsika (Rôm. 5:6-8).

Faharoa, amin'ny fanekentsika ny fahafatesany ho fahafatesantsika, amin'ny alalan'ny finoana, ny fibebahana, ary ny batisa, dia hamarinina sy afahana amin'ny fanamelohana noho ny ota isika (Rôm. 5:9-11; Rôm. 6:6,7).

Fahatelo, ny fiainana ivelomantsika ankehitriny dia vokatry ny firaisana amin'i Kristy, ny fananantsika ny heriny mamorona indray, ary ny fahavelomany ao anatintsika (2 Kôr. 5:17-21; Gal. 2:20).

Tsy voatery ho dingana na tranga misaraka ireo. Afaka miara-mitranga ireo raha vao vonona handray an'i Jesôsy eo amin'ny fiainantsika isika, ary azo havaozina isan'andro eo am-panolorantsika ny tenantsika ho Azy isa-maraina. Na manao ahoana na ahoana fahatsapantsika ny asa famonjen'i Kristy eo amin'ny fiainantsika, dia ny fahafatesan'i Jesosy ihany no fototra lorenany. Tsy maintsy tsaroantsika mandrakariva izany.

Rehefa mijery ny tenanao, ny toetranao, ary ny atifonao ianao, inona no ambaran'izany aminao momba ny filanao ny hazo fijaliana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal