Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: ILAY FIFANANDRINANA LEHIBE - Ny fototra niandohan’ny ady teto an-tany.

Daty
Alatsinainy 24 February 2025

Misy fanontaniana iray mifanindran-dalana amin'ilay hoe: "Nahoana no misy tsimparifary ao an-tanimbary kanefa tsy namafy afa-tsy voa tsara ilay tompon'ny tanimbary?", dia ny hoe: "Raha nahary tontolo tonga lafatra Andriamanitra, nahoana no mipoitra eto ny ratsy?"

Vakio ny Gen. 1:31. Inona no ambaran'ny tenin'Andriamanitra momba ny toetry ny zavaboary rehefa avy noforonin'Andriamanitra izany? Ary nahoana no zava-dehlbe ny valiny?

Araka ny voalaza ao amin'ny Gen. 1:31, rehefa vitan'Andriamanitra ny famoronana izao tontolo izao dia "indro, tsara indrindra izany." Tsy ahitana aloky ny ratsy mihitsy ny namoronan'Andriamanitra ity planeta ity raha ny ao amin'ny Gen. 1. Tamin'ny fomba ahoana àry no nahatongavan'ny ratsy teo amin'ny fiainan'ny olombelona?

Vakio ny Gen. 3:1-7. Inona no ambaran'izany antsika momba ny nahatongavan'ny ratsy teto an-tany? Ahoana no anazavan'izany ny toetr ilay fifanandrinana lehibe? (Jereo koa ny Apôk. 12:7-9).

Hitantsika ao amin'io fitantarana io ny lainga noforonin'ilay menarana momba ny toetran'Andriamanitra, izay voalaza fa ny devoly ("menarana ela") ao amin'ny Apôk. 12:7-9. Fanontaniana, izay saika namadika tanteraka ny tenin'Andriamanitra, no nampiasain'ny menarana voalohany mba hahatonga fisalasalana ny amin'ilay baikon'Andriamanitra. Avy eo dia notsipahiny tanteraka ilay tenin'Andriamanitra ka hoy izy tamin'i Eva: "Tsy ho faty tsy akory hianareo." - Gen. 3:4.

Tsy maintsy ho nandainga tamin'i Eva ny iray tamin'izy ireo: na ny menarana, na Andriamanitra. Tsy maintsy misafidy izao i Eva na hino izay nolazain' Andriamanitra na hino ny tenin'ny menarana.

Na eto na any amin'ny andininy hafa ao amin'ny Soratra Masina, ny tena fototry ny ady dia ny hoe: iza no inoanao? Izay mifandray tanteraka amin'ny hoe: iza no tianao? Ny "zavatra" inoanao momba ny olona iray sy ny toetrany mantsy, ny hoe azo itokiana ve izy sa tsia, dia miankina betsaka tokoa amin'ny fitiavanao azy, ary araka ny hita eto, mahatonga anao hihaino izay lazainy na tsia.

Vakio ny Gen. 3:15. lo fanambarana nataon'Andriamanitra tamin'ny menarana io, izay milaza ny hanorotoroan'ny taranaky ny vehivavy (ilazana ny Mesia) ny lohan'ny menarana, no voalaza matetika fa filazantsara voalohany (protoevangelium) ao amin'ny Soratra Masina. Sady manamafy ny fisian'ilay fifanandrinana izany no mitondra fanantenana ho antsika koa eo anivon'izany, amin'ny fomba ahoana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal