Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany

Daty
Talata 25 November 2025

FIHAIKANA TEO AMIN'ILAY TANY

Vakio ny Jos. 13:1-7. Na dia fanomezana avy amin' Andriamanitra aza ny tany Kanana, inona ireo fihaikana teo anatrehan'ny fakana izany?

Satria andevo nandritra ny taonjato maro ny Isiraelita, dia tsy nanana fahaiza-manao ara-tafika ampy mba hakana ny tany izy ireo. Na ireo Egyptianina izay nampanompo azy aza anefa dia tsy nahavita nisahana manontolo ny fifehezana io tany io nandritra ny fotoana naharitra, kanefa izy ireo nanana fahaiza-manao sy fitaovana ara-tafika ampy. Tsy mbola nandresy tanteraka an'i Kanana ireo Egyptianina noho ireo tanana mimandany sarotra anihina. Izao dia firenena iray nandevozina teo aloha no asaina maka ny tany izay tsy hain'ny tompon'izy ireo teo aloha nofehezina. Raha ho azon'ireo izany tany izany, dia noho ny fahasoavan'Andriamanitra irery ihany fa tsy noho ny ezaka ataony manokana.

Miresaka momba ny fizarana ny tany amin'ireo foko samy hafan'ny Isiraely ny Jos. 13 hatramin'ny toko faha-21. Izany fizarana ny tany izany dia milaza amin'ny Isiraely ny faritany notendrena ho azy ireo sy ireo tany mbola tokony halainy ho azy koa. Azon'ny Isiraelita atao izao ny hiaina amim-pilaminana eo amin'ny tany izay efa nomen Andriamanitra ho lovan'izy ireo. Izy ireo no nomena zo ara-dalána honina eo amin'ilay tany, saingy Andriamanitra no tena tompon'izany. Tsy maintsy mifanandrify amin'ny fanapahan-kevitr Andriamanitra kosa ny valintenin'ny olombelona. Asehon'ny tapany voalohany amin'ny bokin'i Josoa ny fomba nanomezan'Andriamanitra ny tany tamin'ny nandroahany ireo Kananita; ny tapany faharoa indray dia mitatitra ny fomba nakan'ny Isiraely ny tany tamin'ny alalan'ny fonenan'izy ireo tao.

Maneho an-tsary ny famonjena antsika izany dingana samihafan'ny fakana ny tany Kanana izany. Tahaka ny Isiraely dia tsy mahay manao na inona na inona mba hahazoam-pamonjena isika (Efes. 2:8,9). Fanomezana izany, tahaka ilay tany izay fanomezan Andriamanitra ho an'ny Isiraely araka ny fifandraisan'izy ireo Aminy izay miorina amin'ny fanekena. Azo antoka fa tsy niorina tamin'ny fahamendrehan'izy ireo izany (jereo ny Deo. 9:5).

Mba hahafahan'ny Isiraelita mahazo tombontsoa avy amin'io fanomezan Andriamanitra io anefa, dia tsy maintsy noraisin'izy ireo ny andraikitra rehetra nifandraika tamin'ny fonenana teo amin'ny tany, tahaka antsika izay tsy maintsy mandalo amin'ny dingan'ny fanamasinana amin'ny alalan'ny fankatoavana amim-pitiavana ireo fitakiana mifandraika amin'ny maha-olom-pirenen'ny fanjakan Andriamanitra. Na dia zavatra tsy mitovy aza, dia misy teboka ifanakaikezany ihany eo amin'izy ireo, izay nomena ny tany noho ny fahasoavana, sy isika izay omena famonjena noho ny fahasoavana. Fanomezana mahatalanjona no natolotra antsika, kanefa mety ho verintsika izany raha toa isika manao tsirambina izany.

Ahoana no iatrehan'ny Kristianina ankehitriny ireo fihaikana sahala amin’izay natrehin'ny Isiraelita tamin'ny fakana ny Tany Nampanantenaina? Jereo ny Fil. 2:12; Heb. 12:28.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal