Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manakaiky ny fiainan-tsi-hita

Daty
Alatsinainy 29 January 2024

Vakio ny Sal. 41:1-4; Sal. 88:3-12 ary ny Sal. 102:3-5, 11, 23, 24. Inona ny fanandramana resahin'ireo andalan-teny ireo? Efa nahatsapa toy izany koa ve ianao?

Asehon'ireo vavaka fangatahana fanafahana amin'ny aretina sy ny fahafatesana ireo fa tsy afa-miala amin'ny fahoriana eto amin'izao tontolo izao ny zanak'Andriamanitra. Maneho ny fahorian-dehiben'ny mpanao Salamo ireo Salamo ireo. Tsy manan-kery izy, malazo tahaka ny ahitra, tsy mahinan- kanina, nafoy ho any amin'ny maty, tahaka izay voavono mandry ao am-pasana, nampanalavirina ny sakaizany, ory sy mijaly. Miraikitra amin'ny hodiny ny taolany.

Salamo maro no maneho ny hevitra fa navelan'Andriamanitra hiseho ny fahoriana noho ny tsy fankatoavan'ny Isiraely. Manaiky ny mpanao Salamo fa mety mitondra aretina ho an'ny olona ny fahotana; noho izany no iresahany ny amin'ny famelan-keloka izay mialoha ny fahasitranana (Sal. 41:3,4). Na izany aza, ny Salamo sasany, toy ny Sal. 88 sy ny Sal. 102, dia miaiky fa toe-javatra mpiseho eo amin'ny fiainana ny fahorian'ny vahoakan'Andriamanitra, na dia saro-takarina tokoa aza izany.

Andriamanitra no ambaran'ny Sal. 88 fa mitondra ilay mpanao Salamo ho eo ambavahoana (Sal. 88:6-8). Mariho anefa fa na dia fitarainana feno fahasahiana indrindra aza no soratana eto, dia miharihary fa maneho finoana izany fitomaniana izany, fa raha avelan'Andriamanitra ao amin'ny fiandrianany hiseho izany fahoriana izany dia azony atao ny mamerina amin'ny laoniny indray ny fiadanan'ny zanany.

Raha eo ambavahoana ilay mpanao Salamo dia tsaroany ireo fahagagana nataon'Andriamanitra sy ny fahalemem-panahiny feno fitiavana, ny fahatokiany ary ny fahamarinany (Sal. 88:10-12). Na dia mahatsapa ho voakapok'Andriamanitra aza ilay mpanao Salamo, dia mbola mifahatra Aminy ihany. Na dia ory aza izy dia tsy mandà ny fitiavan'Andriamanitra, ary fantany fa Andriamanitra no hany famonjena ho azy. Asehon'ireo antso ataony fa tsy ny fahoriana ihany no fantatr'ilay mpanao Salamo, fa fantany tsara koa ny fahasoavan'Andriamanitra, ary tsy voatery hifanipaka mandrakariva ireo roa ireo.

Raha fintinina, ny famelan'Andriamanitra ny fahoriana hiseho sy ny fanafahany dia fanehoana ny fiandrianany lehibe. Mitondra fanantenana ny fahafantarana fa mifehy ny toe-javatra Izy. Rehefa mamaky ny Sal. 88 eo am-pisaintsainana ny fahorian'i Kristy isika, dia talanjona ny amin'ny halalin'ny fitiavany izay nanekeny hiditra ny varavaran'ny fahafatesana ho an'ny taranak'olombelona.

Eritrereto ny amin'i Jesôsy eo amin'ny hazo fijaliana sy ny niaretany fahoriana noho ny fahotana. Niaritra ny fahoriana mafy indrindra noho izay niaretantsika Andriamanitra tao amin'i Kristy, ahoana no anampian'izany antsika hihazona ny finoana na dia ao anatin'ny fotoam-pahoriana sy fitsapana aza?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal