Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mihatra amin'ny lanitra ny famindram-ponao

Daty
Sabotsy 10 February 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Sal. 136; Sal. 51; Sal. 130; Sal. 113; Sal. 123.

Tsianjery: "Hidera Anao eny amin'ny vahoaka aho, Tompo ô, hankalaza Anao eny amin'ny firenena aho. Fa lehibe mihatra amin'ny lanitra ny famindram- ponao, ary mihatra amin'ny rahona ny fahamarinanao."- Sal. 57:9,10.

Tsapan'ny mpanao Salamo fa mahantra ara-panahy izy ireo ary tsy manan- javatra tsara hatolotra an'Andriamanitra. Izany hoe, tsy manana na inona na masin'Andriamanitra izy (Sal. 40:17). Takany fa mila fahasoavana izy, tahaka antsika rehetra, dia ny fahasoavan'Andriamanitra.

Raha fintinina, dia mila ny filazantsara izy ireo.

Asongadin'ny Salamo fa miankina tanteraka amin'ny famindram-pon' Andriamanitra ny olona. Soa ihany fa maharitra mandrakizay ny famindram- pon'Andriamanitra. Eo amin'ny Famoronana nataony sy ny tantaran'ny vahoakany no ahitana ny porofon'izany (Sal. 136). Mihelina tahaka ny ahitra ny fiainan'ny zanak'olombelona eo anatrehan'ilay Andriamanitra mandrakizay, kanefa miantra ny olona Andriamanitra ary manavao ny heriny (Sal. 103:3, 5, 15) ary ao Aminy no ananan'izy ireo ny teny fikasana ny amin'ny mandrakizay.

Ny fahatokian'Andriamanitra amin'ny Fanekeny no fampaherezana ho an'ny vahoakany. Ny fitalahoan'ny olona, na dia ao anaty fahaporetana aza izany indraindray, dia feno fanantenana satria miantefa amin'ilay Rainy any an-danitra izay mangoraka azy (Sal. 103:13; Sal. 68:5; Sal. 89:26). Ny fanandramana vaovao momba ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fitiavany no manamafy ny fanapahan-kevitr'izy ireo hiankohoka Aminy sy hanompo Azy fa tsy hanao izany amin'ny olona na zavatra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.
Sun 28 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Paoly mpifatotra an’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tao amin’ny fifatorana.
Tue 30 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tany Filipy
Wed 31 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly sy i Kolosia
Thu 01 Jan 2026
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Ny fiangonana tany Filipy sy tany Kolosia.
Fri 02 Jan 2026
Lesona 1: ENJENIHA NEFA TSY NAFOY - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal