Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NISEHO TAMIN'I MARIA SY NY MARO HAFA I JESÔSY

Daty
Alarobia 25 September 2024

Vakio ny Mar. 16:9-20. Inona ny fanampim-panazavana omen'ireo andininy ireo momba ny tantaran'ny nitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty?

Saika misy itoviany amin'ireo andininy hafa ao amin'ny TV ny voalaza ao amin'ny Mar. 16:9-20 - i Maria Magdalena nahita an'i Jesôsy teo amin'ny fasana (Mat. 28:1,9,10; Jao. 20:11-18; ampitahao amin'ny Lio. 8:2); nahita Azy ireo roa Iahy nankany an-tsaha (Lio. 24:13-35); naniraka azy roa ambin'ny folo Iahy i Jesôsy (Mat. 28:16-20, Lio. 24:36-49, Jao. 20:19-23).

I Maria Magdalena no voalohany nahita an'i Jesôsy taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty (Jao. 20:11-18). Nisy vehivavy maro hafa koa nahita Azy (Mat. 28:8-10). Misy antony lehibe ny hoe vehivavy no voalohany nahita ny Tompo nitsangana tamin'ny maty. Tsy dia nomen-danja loatra tokoa mantsy ny fanambarana nataon'ny vehivavy teo amin'ny tontolo fahiny. Koa raha namboamboarina ity tantaran'ny fitsanganana amin'ny maty ity dia inoana fa lehilahy no nolazaina ho nahita maso voalohany ny Tompo efa nitsangana. Kanefa tsy lehilahy no nahita, tsy iray amin'izy iraika ambin'ny folo Iahy akory aza, fa vehivavy iray. Nandeha nilaza ny vaovao mahafaly tamin'ny mpianatra izy, kanefa, araka ny efa ampoizintsika, dia tsy nino ny fanambarany ireo; angamba satria tsara loatra izany ka tsy mampino, ary satria koa vehivavy i Maria, indrisy.

lo hevitra io, izany hoe vehivavy no voalohany nahita ny Tompo efa nitsangana, no nataon'ireo mpanohana ny tantaran'ny nitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty porofo lehibe ny amin'ny fahamarinan'izany tantara izany.

Inona no mitranga ao amin'ny Mar. 16:14, izay tsy mampitombina ny hoe noforomporonina io tantara io?

Mazava loatra, raha namboarin'ny mpianatra izany tantara izany, nahoana izy ireo no manaratsy laza ny tenany toy izao? Nanome tsiny azy ireo i Jesôsy noho ny "hamafin'ny fony". Nanomboka tamin'ny fotoana nisamborana an'i Jesôsy ka hatramin'ny fotoana nisehoany taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty, dia ratsy dia ratsy ny fanoritsoritan'ny filazantsara ireo mpanara-dia an'i Jesôsy: mandositra, mandà, tsy mina, sy ny sisa. Tsy mitombina ny hoe noforonina fotsiny ilay tantara.

Ny nitorian'izy ireo tamim-pahasahiana sy ny fahatapahan-kevitra taty aoriana momba ny fitsanganan’i Kristy tamin'ny maty sy ny fanantenana entin'izany ho an'ny olona rehetra, dia manaporofo mazava ny fahamarinan'ny fanambarany.

Ahoana no hiarovantsika tena tsy ho Iatsaka amin'ny fandriky ny fisalasalana sy ny tsy finoana? Nahoana isika no tsy maintsy mifandray isan'andro Kristy nitsangana tamin'ny maty? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal