Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY BATISAN'I JESÔSY

Daty
Alarobia 03 July 2024

Vakio ny Mar. 1:9-13. Iza no nanatrika ny batisan'i Jesôsy, ary inona nitranga tamin'Izay?

Nataon'i Jaona batisa teo amin'ny ony Jordana i Jesôsy, ary rehefa niakatra avy tao amin'ny rano Izy dia nahita ny lanitra nisokatra sy ny Fanahy Masina nidina teo amboniny tahaka ny voromailala. Reny avy tany an-danitra ny feon'Andriamanitra nanao hoe: "Hianao no Zanako malalako, Hianao no sitrako." -Mar. 1:11.

Manondro ny maha-zava-dehibe ny batisan'i Jesôsy ireo tranga ireo. Manatrika izany ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, Izay samy manambara ny fanombohan'ny asa fanompoan'i Jesôsy. Hamafisina ny maha- manan-danja io tranga io ao amin'ny Mar. 15, izay mitantara momba ny hazo fijaliana sy ny zava-niseho manodidina izany. Singa maro ao amin'io tantaran'ny batisan'i Jesôsy io no hita miverina ao.

"Nampandehanin'ny" Fanahy Masina ho any an'efitra i Jesõsy. Ny hoe "nampandehaniny" dia avy amin'ny teny grika hoe ekballő, izay ampiasaina koa iresahana momba ny famoahana demonia ao amin'ny bokin'i Marka. Maneho ny herin'ny Fanahy Masina eo amin'ny fiainan'i Jesôsy ny fanatrehan'ny Fanahy eto. Manomboka ny diany i Jesôsy, hanatanteraka ny asany, ary avy hatrany dia mifanehatra amin'i Satana Izy. Maneho ny tolona nataony ny filazana ny amin'ny 40 andro nakana fanahy Azy, sy ny fisian'ny bibidia, ary ny anjely nanompo Azy.

Anisan'ny mampiavaka ny teny fampidirana ny Filazantsaran'i Marka ny fanehoana an'i Jesôsy ho Andriamanitra no sady olombelona. Izao no maha- Andriamanitra azy: Izy no Kristy, Ilay Mesia (Mar. 1:1), Izy no Jehovah Izay ambaran'ny iraka ny fahatongavany (Mar. 1:2,3), Izy Ilay mahery noho i Jaona (Mar. 1:7), Ilay Zanaka malalan'Andriamanitra, Izay nidinan'ny Fanahy Masina teo amboniny (Mar. 1:10,11). Ary izao kosa no maha-olombelona Azy: nataon'i Jaona batisa Izy (fa tsy ny mifamadika amin'izay, Mar. 1:9), nampandehanin'ny Fanahy (Mar. 1:12), nalain'i Satana fanahy (Mar. 1:13), teo amin'ny bibidia (Mar. 1:13), ary nampian'ny anjely (Mar. 1:13).

Nahoana no aseho ireo lafiny roa ireo? Maneho ny maha-lzy an'i Kristy mahagaga izany, Izay Tompo sy Mpamonjy antsika, Andriamanitsika, kanefa koa olombelona, Izay rahalahy (anadahy) sy Ohatra ho antsika. Ahoana no hahatakarantsika izany hevitra izany? Tsy vitantsika izany saingy ekentsika amim-pinoana; ary ny fanehoan'io fahamarinana io ny fitiavan'Andriamanitra ny taranak'olombelona dia mahatalanjona antsika.

Andriamanitra i Jesôsy , kanefa nandray teo Aminy ny maha- olombelona mba hamonjena antsika. Inona no ambaran'izany amintsika momba ny fitiavan' Andriamanitra mahagaga?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.
Sun 28 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Paoly mpifatotra an’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tao amin’ny fifatorana.
Tue 30 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tany Filipy
Wed 31 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly sy i Kolosia
Thu 01 Jan 2026
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Ny fiangonana tany Filipy sy tany Kolosia.
Fri 02 Jan 2026
Lesona 1: ENJENIHA NEFA TSY NAFOY - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal