Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FAHAGAGANA TAMIN'NY "POURIM"

Daty
Alakamisy 21 December 2023

Hatramin'ny an'arivo taona maro, ireo mpandinika ny Baiboly dia nahatsikaritra fa tsy ao anatin'ny bokin'i Estera ny anaran' Andriamanitra. Io no hany boky misy toe-javatra toy izany. Na izany aza dia nanaiky ny asa nataon'Andriamanitra tao amin'ny fanafahana lehibe izay nomena azy ny Jiosy, ary nofidin'ny vahoakan' Andriamanitra mba hampidirina ao amin'ny Baiboly io boky io.

Moa ve isika mahita ny fanatrehan Andriamanitra amin'ny eo flainantsika andavanandro? Mety hiseho ho toy ny toe-javatra mandeha ho azy sy araka ny tokony ho izy ny flasan'Andriamanitra, ary raha tsy miraika amin'izany isika dia tsy hahatsikaritra ny fanatrehan' Andriamanitra.a

Vakio ny Est. 9:1-12. Inona no vokatry ny ezaka nataon'i Estera?

Endrika tsy mahazatra no nisehoan'ny fahagagana tamin'ny Pourim. Niafina sy voasarona tao anatin'ny tranga mahazatra ilay fahagagana. Tsy novana ilay didy nampandringana ny Jiosy saingy didy iray hafa no nosoratana mba hanomezan-dalana ny Jiosy hiaro tena.

Mariho koa izay nitranga sy ny fomba nahazoan Andriamanitra niasa tamin'ny alalan'ireo toe-javatra ireo. Nahatsikaritra ny fidiran' Andriamanitra an-tsehatra ho an'ny Jiosy ireo Persianina.
Ary ny vokany?

"Ary maro ny olona tompon-tany no tonga Jiosy". Est. 8:17. Ohatra lehibe ny amin'ny fomba ahafahan'ny Tompo miasa mba hitondrana ireo fanahy very hahalala Azy izany. Niaiky ireo mpitarika ny vahoaka jiosy fa niasa Andriamanitra. Rehefa nahazo fandresena tamin'ny fahafahany niaro tena ireo vahoaka jiosy dia nanokana fotoana iray tao anatin'ny taona (antsoina hoe Pourim) izy ireo ho fahatsiarovana sy ho fankalazana izany fandresena izany. Hatramin'izao fotoana izao dia natokana hisaorana an'Andriamanitra, araka ny fomban- drazana jiosy, ho fahatsiarovana ny fanafahana nataony ireo andro ireo.

Fanamby: Mivavaha mba hanomezan' Andriamanitra anao faharisihana, amin'ity herinandro ity, hizara ny zavatra nataony taminao amin'ny anankiray amin'ireo olona ao amin'ny lisitry ny vavaka.

Manaova fihaikana: Manomboha manao diary ho an'ny zavatra madinika (na lehibe) manokana nataon'Andriamanitra ho anao. Vakio indray izany ary mivavaha mba hampahatsiahivan' Andriamanitra anao ireo zavatra tsara amin'ny fotoana mety hahafahanao mizara izany amin'ny hafa

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal