Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FAHORIAN-DEHIBE

Daty
Alarobia 04 September 2024

Vakio ny Mar. 13:19. Inona no tondroin'ireo andalan-teny ireo?

Ny Mar. 13:14 izay miresaka momba ny fahavetavetan'ny fandravana no Iohahevi-dehibe ifantohan'io toko io (jereo ny fizarana Talata). Manamarika fiampitana ho amina Iohahevitra hafa koa ny Mar. 13:19. Manondro ny fahorian-dehibe izay tsy misy toy azy hatramin'ny namoronana an'izao tontolo izao izany. Fanenjehana lehibe lavitra sy miitatra kokoa noho izay nitranga tamin'ny faharavan'i Jerosalema no ambaran'izany. Miova ho amin'ny filazam-potoana ho avy ny mpanoratra ao amin'ny Mar. 13:19, izay manondro toe-javatra lavidavitra kokoa avy eo amin'ny andron'i Jesôsy.

Tahaka ny Mar. 13:14 izay mamerina ny faminaniana ao amin'ny Dan. 9, ny fanenjehana lehibe ao amin'ny Mar. 13:19-23 eto koa dia mamerina ireo faminaniana ao amin'ny Dan. 7 sy 8 izay anenjehan'ilay tandroka kely ny vahoakan'Andriamanitra "ambara-pahatapitry ny fetr'andro iray sy ny fetr'andro roa ary ny antsasaky ny fetr'andro." - Dan. 7:25. Mitovy amin'ny 1260 taona ara-bakiteny io fe-potoana ara-paminaniana 1260 andro io (Nom. 14:34; Ezek. 4:6). Teo anelanelan'ny taona 538 TrK sy ny taona 1798 TrK izany. Naniraka ny mpitari-tafiny mba hisambotra ny papa i Napoléon tamin'ny taona 1798 TrK. Nandritra io fe-potoana 1260 taona io no nanenjehan'ilay tandroka kely sy namonoany ireo izay tsy niombon-kevitra tamin'ny rafi-pitondran'ny fiangonany.

Vakio ny Mar. 13:20-23. Inona ny fanantenana omen'Andriamanitra ny vahoakany mandritra ny fotoam-panenjehana, ary inona ny fampitandremana omeny azy ireo rehefa mifarana izany?

Ambaran'ny Mar. 13:20 fa nohafohezina ny fotoam-panenjehana noho ny amin'ireo vahoakan'Andriamanitra. Araka ny tantara, nihalefy ny afon'ny fanenjehana taorian'ny Refôrmasiona prôtestanta; nanafohy ny fotoam-pahoriana izany. Nihena ny herin'ilay tandroka kely ary maro ny olona niandany tamin'ny fanavaozana ara-pivavahana. Hiverina indray anefa ny herin'ilay tandroka kely, araka izay ambaran'ny Apôk. 13.

Mampitandrina ny amin'ny loza mitatao hafa i Jesôsy ao amin'ny Mar. 13:21-23, tsy inona izany fa ny mpaminany sandoka sy ny kristy sandoka izay hiseho mialoha ny hiverenany. Nilaza tamin'ireo mpanara-dia Azy lzy mba hiambina fandrao ho azon'ireny. Tsy mbola nanomboka tsy akory ny fihetsehana mitondra ny anaran'i Jesôsy tamin'ny fotoana nampitandremany mikasika ny kristy sandoka, kanefa nanao fanambarana nampitolagaga izay tanteraka tokoa lzy (na amin'izao andro izao aza dia misy mitonona ho Jesôsy).

Ahoana no tokony hampitomboan'izany fanambarana mialoha ny hoavy izany ny fitokiantsika amin'ny Tenin'Andriamanitra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal