Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FANAZAVAN’I JESÔSY NY FANOHARANA

Daty
Alatsinainy 22 July 2024

Vitan'i Jesôsy ny fitantarana ilay fanoharana saingy tsy nomeny avy hatrany ny fanazavana momba izany. Araka ny lahatsoratra (Mar. 4:1), dia teo imason'ny "vahoaka betsaka" no nitenenan'i Jesôsy . Taorian'izay anefa vao nanazava ny hevitry ny fanoharana tamin'olona vitsy kokoa Izy (Mar. 4:10).

Vakio ny Mar. 4:13-20. Ahoana no nanazavan'l Jesôsy ilay fanoharana momba ny mpamaty?

Manazava ilay fanoharana i Jesôsy ka resahiny amin'izany ireo zavatra ivelan'ny tantara izay asehon'ireo tsipirian-javatra ao anatin'ilay tantara. Asehon'izany fanazavana izany fa io tantara io dia tsy inona fa kisarisary mifandraika amin'ny zava-misy, nefa tsy voatery manondro ny tsipiriany rehetra ao amin'ny tantara izany.

Ambaran'i Jesôsy fa ny voa dia ny "teny". Ny Tenin'Andriamanitra no tondroin'izany indrindra izay torin'i Jesôsy. Hoy ny Jak. 1:21: "Koa ario ny fahalotoana sy ny lolom-po rehetra, ary ekeo amin'ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo."

Karazana mpihaino samihafa no asehon'ireo tany samy hafa namafazana ny voa. Mandre ny Teny ny rehetra, ao amin'ny fanazavan'i Jesôsy; izany hoe, samy namafazana voa ireo tany rehetra. Samy hafa kosa anefa ny nandraisan'izy ireo izany. Mafy ny tany teny amoron-dalana, ary nohanin'ny vorona ireo voa nafafy; ampifandraisin'i Jesôsy amin'i Satana manaisotra ny fahamarinana izany. Marivo ny tany eny ambony vatolampy; ampifandraisin'i Jesôsy amin'ny olona zara raha manana fanoloran-tena izany, izay tsy mahatakatra ny sandan'ny maha-mpianatra. Nangeja ny voa nafafy teo aminy ny tany nanirian'ny tsilo. Hazavain'i Jesôsy fa maneho ny fiahiahiana momba ny fiainana sy ny harena izay manakana ny fanirian'ny Teny izany. Ny tany tsara kosa dia maneho ireo izay mandre ny Teny ary mandray izany, mba hitomboan'izany sy hahavokarany be.

Ny tany eo ambony vatolampy sy ny tany feno tsilo no ibahanan'ny fanazavana lavalava kokoa. Nanondro toe-javatra roa nifanohitra i Jesôsy rehefa nanazava mikasika ireo mpihaino tahaka ny tany ambony vatolampy; nandray ny Teny tamim- pifaliana izy ireo saingy fotoana voafetra ihany no nitoerany ho mpianatra. Lavo izy rehefa tonga ny fanenjehana. Mifanohitra amin'izany indray ireo mpihaino eo amin'ny tany feno tsilo, tsy lavo noho ny fotoan-tsarotra izy ireo fa noho ny fotoam-piadananany zavatra eto amin'izao tontolo izao no ifantohany fa tsy ny fanjakan'Andriamanitra. Momba ny zavatra azon'izao tontolo izao atolotra azy no ifantohan'ny fisainany sy ny fiahiahiany.

Saintsaino ny momba ny fiainanao. Hita eo amin'ny fanandramana iainanao ve ny toetry ny tany amoron-dalana, sy ny tany ambony vatolampy na koa ny tany feno tsilo? Mety hisoko miadana ny fisehoan'izany ka tsy ho tsapanao akory. Inona ny safidy azonao atao mba hisian'ny fanovana, raha ilaina izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal