Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY HAFATRY NY ANJELY TELO

Daty
Alakamisy 30 May 2024

Ao amin'ny Apôk. 14:7, ny anjely voalohany dia miantso amin'ny feo mahery hoe: "Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan'Izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny Ioharano". Ny antson'ny lanitra dia ny hanolorantsika ny fahatokiantsika faratampony sy ny fiankohofantsika amin'ny fo amin'ilay Mpahary eo anatrehan'ny fitsarany mananontanona.

Izao no ambaran'ilay anjely faharoa: "Rava! Rava Babylona hehibe! Izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany'- Apôk . 14:8. Babilôna dia maneho ny rafi-pivavahana tratry ny fihemorana sy ny fahalavoana, izay nanda ny hafatry ny anjely voalohany ka nisafidy ny rafi-piankohofana sandoka. Izany no antony ampitandreman’ny Apôk. 14.9-11 ny olona momba ny fiankohofana amin'ny "bibidia sy ny sariny". Safidy mifanohitra roa no aseho eto: ny fiankohofana amin'ny Mpahary na ny fiankohofana amin'ny bibidia. Handray ny fanapahan-kevitra farany sy tsy azo ovana momba izay iandaniany tanteraka ny olona tsirairay eto amin'ny planeta tany ity — i Jesôsy na i Satana.

Vakio ny Apôk. 14:12. Inona ireo toetra roa ananan'ireo izay manda tsy hiankohoka amin'ny bibidia? Nahoana no zava-dehibe tokoa ireo toetra roa ireo? 

Amin'ny andro farany, Andriamanitra dia hanana olona mahatoky eo anoloan'ny fanoherana lehibe indrindra sy ny fanenjehana mivaivay indrindra eo amin'ny tantaran'ny tany. Noho ny amin'ny fahamarinan'i Kristy izay natolotra azy ho fanomezana no hananany fiainana feno fahasoavana sy fankatoavana. Mifanohitra mivantana amin'ny fiankohofana amin'ny bibidia ny fiankohofana amin'ny Mpahary, ary aseho amin'ny fitandremana ireo didin'Andriamanitra izany. Ny fiankohofana no fototry ny fifanandrinana farany mahakasika ny fiandaniana amin'i Kristy na amin'ny fahefan'ny bibidia, ary ny Sabata no ivon'izany fifanandrinan'ny tsara sy ny ratsy izany.

Tsy hino an'i Jesôsy fotsiny ihany ireo mpanara-dia feno fanoloran-tena ho an'ny Mpamonjy fa hanana ny finoan'i Jesôsy koa. Ny finoan'i Jesôsy dia finoana lalina, feno fitokiana, feno fanoloran-tena tokoa ka tsy azon'ny devolin'ny helo rehetra sy ny fizahan-toetra rehetra eto an-tany hozongozonina. Izany dia finoana izay matoky na dia tsy mahita aza, mino na dia tsy mahalala ny antony aza, ary manantena na dia tsy mahatakatra aza. Ny "finoan'i Jesôsy" koa aza dia fanomezana izay raisintsika amin'ny finoana. Izany no hanampy antsika hamakivaky ny fotoan-tsarotra ho avy. Rehefa ho avy ny fotoan-tsarotra farany ka tsy hahazo hividy na hivarotra isika, hiatrika fanenjehana sy fampidirana am-ponja ary fahafatesana aza, dia ny finoan'i Jesôsy no hanampy antsika hamakivaky ireo ora farany eto an-tany mandra-pahatonga ny fiverenan'i Jesôsy.

Ahoana no anomanan'Andriamanitra ny finoanao ankehltriny ny amin'izay hiseho amin'ny hoavy? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Jun 2025
TELOVOLANA 3: EKSODOSY- DIA MANKANY AMIN’ILAY TANY NAMPANANTENAINA.
Sat 28 Jun 2025
Lesona 1 : FAMPAHORIANA: NY TONTOLON-KEVITRA SY NY FAHATERAHAN’I MOSESY - Fampidirana.
Sun 29 Jun 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Vahoakan’Andriamanitra tao Egypta.
Mon 30 Jun 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Ny tontolon-kevitra ara-tantara.
Tue 01 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Ireo mpampivelona Hebreo.
Wed 02 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Teraka i Mosesy.
Thu 03 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Miova ny drafitra.
Fri 04 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.
Sat 28 Jun 2025
TELOVOLANA 3: EKSODOSY- DIA MANKANY AMIN’ILAY TANY NAMPANANTENAINA.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal