Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY JIRO SY NY VATA FAMARANA

Daty
Alarobia 24 July 2024

Vakio ny Mar. 4:21-23. Inona ny zavatra asongadin'i Jesôsy ao amin'ny fanoharana momba ny jiro?

Samy nanana ny habeny sy ny endriny ny trano tany amin'ny faritra nisy an'i Jesôsy tamin'ny androny; arakaraka ny toerana nisy ny trano sy ny haren'ny tompony izany. Nanaraka ny fomba fanorenana trano grika izany, izay nanorenana trano manodidina ny tokotany iray, saingy samihafa ny endriny. Azo heverina koa anefa fa miresaka momba ny trano kely kokoa an'ny tantsaha i Jesôsy. Na trano lehibe izany na kely, dia izao no foto-kevi-dehibe tiana hambara: indray andro any dia hiseho ny fahamarinana momba an'i Jesôsy.

Mametraka fanontaniana roa i Jesôsy ao amin'ny Mar. 4:21. Valinteny mitory fandavana no andrasan'ny fanontaniana voalohany - "Moa entina va ny jiro mba hosaronan'ny vata famarana, na hatao ao ambanin'ny farafara?" "Eny" kosa no valinteny andrasan'ny fanontaniana faharoa manao hoe: "Tsy hatao eo amin'ny fanaovan-jiro va izy?" Toe-javatra toa tsy manaraka ny lôjika, na mahatsikaiky mihitsy aza, no anehoan'i Jesôsy ny hevitra tiany hambara. Natao hitondra fahazavana ny jiro, raha tsy izany dia foana ny antom-pisiany. Hazavain'ny Mar. 4:22 io fanoharana io ka tondroiny amin'izany ny tsiambaratelo izay aharihary ampahibemaso. Fantatry ny olona izay niharan'ny hosoka teo amin'ny mailaka na ny solosaina ampiasainy izany hoe manana tsiambaratelo nanjary miharihary ampahibemaso! Ny filazantsara anefa no resahin'i Jesôsy eto.

Vakio ny Mar. 4:24,25. Inona ny lesona ampianarin'i Jesôsy amin'ny alalan'ny fanoharana momba ny vata famarana?

Amidy eny an-tsena ankalamanjana ny entana vaovao any amin'ny faritra maro eto an-tany. Manana fitaovana famarana ny entana amidiny ny mpivarotra. Fomba fanaon'ny mpivarotra tahaka izany ny manampy kely amin'ilay entana mba hahatsapan'ny mpividy fa nomena fahafaham-po izy. Noraisin'i Jesõsy ny fomba fanaon'ny mpivarotra tsara amin'ny mpividy mba hampitana hevitra mikasika ny fandraisana ny fahamarinana. Raha mandray sy manaraka ny fahazavana ny olona dia hahazo mihoatra noho izay ananany aza. Raha mandà ny fahazavana kosa izy dia na ny kely ananany aza hesorina aminy.

Ahoana no hianarantsika bebe kokoa ny fitsipika momba ny hamarana ny olona araka ny famarana ampiasainy? Eritrereto izany eo amin'izay rehetra ataonao amin'ny hafa.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana
Sun 31 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Ny boky sy ny rà.
Mon 01 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Mahita an’Andriamanitra.
Tue 02 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Hery ho enti-mankatò.
Wed 03 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Eo anivon’ny vahoakany.
Thu 04 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Feno ny Fanahin’Andriamanitra.
Fri 05 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal