Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 30 May 2026

Hodinihina mandritra ny herinandro:
isa. 61:10; Hôs. 6; Asa. 3:18,19; Eks. 34:1-10; Rôm. 6:23; Mat. 22:1-14. 
Tsianjery : "Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra." — 1 Jao. 1:9. 

Toa mboloa lavitra ny Tany Nampanantenaina ny Isiraelita, izay nitoby teo ambanininy andry rahona teo amin'ny tany lemaka. Efa niakatra tao amin'ilay aizim-pito, izay nanarona ny tampon'ilay tendrombohitra andro maro izay, i Mosesy. Araka ny fihevitr'izy ireo dia azo antokan fa efa maty izay ilay mpitarika azy ireo; raha tsy matin'ny hanoanana dia angamba matin'ilay afo mandevona teo an-tampon-tendrombohitra.

Tsy tafandry mandry ilay vahoaka feno olona maro samy hafa firenena (ny lsiraelita niaraka tamin'ireo izay niara-niaia taminy tany Egypta nandritra ny Eksodosy), vonona ny hiroso ho any amin'ilay tany tondra-dronono sy tantely. Na vao andro vitsy aza ireto olona ireto no nanao fanekena masina tamin'Andriamanitra fa hankato Azy, dia nitaky hanana sary hitan'ny masony izy ireo izao. Koa dia nivory nanodidina ny tranolain'i Arona izy ireo ary nitaky ny hanamboarana sampy ho azy ireo. Noho ny fanahiany momba ny ainy, dia nanaiky i Arona. Hitantsika ao amin'ny Eks. 32-34 ny fizotrizany tantara mampalahelo izany.

Iray monja amin'ireo tantara mampianatra antsika momba ny fibebahana sy ny famelan-keloka ao amin'ny Soratra Masina io tantara io, izay lohahevitry ny lesona mandritra ity herinandro ity. Ataovy an-tsainao ny hevitra fototra ao amin'ny tsianjery eo am-pandinihanao ny lesona isan'andro. Eny, manota isika, saingy noho ny fahafatesan'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana sy ny drafi-pamonjena, dia misy ny famelan-keloka ho an'ny mpanota izay miaiky ny helony amim-pahatsoram-Po sy mibebaka. 

Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.

Daty
Alahady 31 May 2026

Be asa tokoa izy my herinandro iny. Na fantany aza fa maro ny tokony hovitaina alohan'ny Sabata, dia toa lany namitana izay zavatra maika ny fotoana tokony ho an'ny zava-manan-danja, ary vetivety tsy nampoiziny dia nilentika ny masoandro. Niara-nisakafo sy nanao fanompoam-pivavahana manokana izy sy ny ankohonany ny Zoma hariva.

Saingy rehefa tonga ny marainanrny Sabata ka nifoha izy, dia tsikariny avy hatrany ny loton'ny efitrano fandroana, ka dia nodioviny izany. Avy eo, hitany fa nanditsaka am-pandriana ny zanany lahy kely, ka nalefany tao anaty milina fanasan-damba ny lamba firakotra mbamin'ny akanjo hafa.

Teo am-panomanana ny sakafo maraina ho an'ny ankohonany izy no nahatsiaro fa tsy nisy tsindrin-tsakafo ho an'ny sakafo antoandro, koa nanao mofo akondro haingana izy. Hitany fa nila nopasohina koa ny lobaky ny vadiny hoentina any am-piangonana, dia nataony koa izany, avy eo namalona akanjo vitsivitsy ary namoaka ny fako ho any ivelany. Teo vao taitra izy. Sabata ange ny andro e — andro tiako mihoatra noho ny andro hafa rehetra! Kanefa izaho ity manao izao raharaha rehetra izao, ka nila hohadinoiko ny tens tanjon’ny Sabata — dia ny hanakaiky an'Andriamanitra.

Avy eo, nieritreritra vetivety izy, nanamarina ny fihetsika nataony - zavatra mila atao avokoa ireo. Tana izany tokoa ve? Tsapany fa nanao tahaka an'i Marta izy, "sahirana tamin'ny fanompoana be" - Lio. 10:40, nefa nanako tao an-tsainy ny tenin'i Jesôsy hoe: "maro ahina sy maro herehina hianao; nefa zavatra fray loha no ilaina; fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara, izay tsy hafaina aminy."– Lio. 10:41,42. Ny anjara tsara - ny mipetraka eo an-tongotr'i Jesosy noho ny fitiavana lalina Azy —tsy rehefa Sabata ihany, fa isan'andro. Tsy nifidy izany izy tamin'io maraina io. 
Tiany Andriamanitra, nefa mora taminy ny nanadino fa nomen'i Jesôsy azy ny Sabata ho fotoana hanamafisana ny fifandraisan'izy ireo. Latsaka ny ranomasony nieritreritra izany.

Ny tanjon'io ohatra io dia tsy ny hampifantoka arnin'izay azo na tsy azo atao rehefa Sabata, fa fampahatsiahivana kosa ny antony maha zava-dehibe ny fahafantarana ireo zavatra mampihena na manimba ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra, Rehefa mahatsapa alahelo noho ny ota sy ny fisarahana amin'Andriamanitra ny fontsika ka miantso Azy isika, dia akaiky tokoa i Jesôsy (Sal. 34:18). Mihazona akanjo fotsy Izy eny an-tanany voamariky ny namantsihana Azy. Hitany ny ranomasom-pibebahantsika, ary manaisotra ny akanjontsika maloto Izy. Avy eo dia atafiny antsika manontolo ny akanjo madion'ny fahamarinany. Ny fahotana izay nibebahantsika dia saronany tanteraka amin'ny fahadiovany tsy misy tomika. Afaka manasa ny akanjontsika amin'ny rany isika (Apôk. 7:14).

Ahoana no anambaran'ny Isa. 64:5, Zak. 3:4, ary ny Isa. 61:10 io fahamarinana lehibe momba ny fahamarinan'i Kristy io? Nahoana isika no tokony hifikitra mafy mandrakariva amin'ilay teny fikasana eto? 

Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.

Daty
Alatsinainy 01 June 2026

Teo am-pisaintsainan'ny lehilahy iray ny elanelana nisy teo aminy sy ny vadiny, dia fantany fa diso izy. Tsy naneho hatsaram-panahy izy, nasiaka, ary nahateny zavatra izay nanenenany. Kanefa ny eritreriny manaraka dia ity: aTsy mendrika azy ihany ve izany, na dia kely fotsiny aza?»

Mahazatra anaove izanyfisainana izany? Mora ny mivadika avyamin'nyfahatsapana nenina ho amin'ny fanamarinan-tena, dia fanamarinana ny fisainana sy ny fihetsitsika. Tsy mora mandrakariva ny milaza hoe "Mifona aho..." rehefa nanao fahadisoana isika, kanefa tens ilaina izany mba hanarenana sy hanamafisana ny fifandraisana rehetra.

Tahaka izany koa eo amintsika sy Andriamanitra. Matetika ny Fanahy Masina no manaitra ny saintsika hisaintsaina ny fahotana ataontsika. Tohina ny fontsika noho izany asany izany, saingy mety ho mora ny mampangina izany feo kely malefaka izany eo am-panamarinantsika ny antony nanaovantsika zavatra iray. tray amin'ny asan'ny Fanahy Masina ny «hampiaiky ny tontolo ny fahotana» - Jao. 16:8. Fanomezana mahagaga avy amin'Andriamanitra izany (Lio. 11:13), satria tens ilaintsika ny miaiky heloka ho fanesorana ny elanelana izay mety hitsofoka eo amin'ny fiarahantsika Aminy! 

Vakio ny Hos. 6. Inona no hitanao manokana eto momba ny fanoritsoritan' Andriamanitra ny Tenany eo am-panaovany antso ho amin'ny fibebahana?

Diniho ny asan'ny Fanahy Masina amin'ny fampiraisana antsika indray amin'llay Voaloboka (Jao. 15:4). "Matetika isika no malahelo satria mitondra vokatra tsy mahafinaritra ho antsika ny asa ratsy ataontsika; tsy fibebahana anefa izany. Ny tena alahelo noho ny fahotana dia vokatry ny asan'ny Fanahy Masina. Ny Fanahy no manambara ny tsy fahaizan'ny fo mankasitraka, dia ny fo manao tsinontsinona ny Mpamonjy sy mandratra Azy, ka entiny eo am-pototry ny hazo fijaliana isika rehefa torotoro fo. Mandratra an’i Jesôsy indray ny fahotana rehetra; ary (...) isika dia malahelo noho ny fahotana izay nahatonga ady mihatra aman'aina taminy. Ny alahelo toy /zany no hitarika ho amin'ny fahafoizana ny fahotana." IFM, t. 314.

Raha ny marina, tsy afaka mitombo amin'ny fifandraisana amin'Andriamanitra isika raha mbola misy ota fikirintsika sy tiantsika, eo anelanelantsika sy Izy. Tsy misy mendrika ny voninahitr'Andriamanitra isika rehetra, saingy afaka, ary tokony hibebaka amin'ny fahotantsika isika rehefa ampahatsiahivin'ny Fanahy Masina izany (Efes. 4:30).

Oviana no nandrenesanao fananarana na antso ho amin'ny fibebahana farany? Inona no nataonao ho setrin'izany? Manokana fotoana hivavahana izao, hangatahana amin'Andriamanitra mba hanalefahany ny fonao sy hanokafany ny sofinao hihaino ny feony ao amin'ny Teniny amin'ity herinandro ity.

Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana mariina.

Daty
Talata 02 June 2026

Mivoy fatratra ny fahaleovantena, ny fanaranam-po, ary ny fampivoarana ny tena manokana izao tontolo izao izay mifanohitra tanteraka amin'ny foto-kevitry ny fanjakan'Andriamanitra. Mahaliana fa mitovy ny teny voalohany nolazain'i Jaona Mpanao Batisa sy i Jesosy, voarakitra ao amin'ny Baiboly. Hoy i Jaona: "Mibebaha hianareo; fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra" - Mat. 3:1,2. Hoy kosa i Jesôsy: "Efa tonga ny fotoana ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha hianareo ka minoa ny filazantsara." - Mar. 1:14,15; (jereo koa ny Lao. 24:46,47). Samy niantso ny olona hibebaka i Jesôsy sy i Jaona satria efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra. Moa tsy manan-danja tahaka izany koa ye io hafatra io ho antsika ankehitriny?

Vakio ny Asa. 3:18,19. Nahoana no zava-dehibe ny fibebahana eo amin'ny dingan'nyfitomboanaara-panahy?Inonanoatao hoe "androfamelombelomana"?

Ny hamoram-po sy ny hatsaram-panahin'Andriamanitra no mitaona antsika hibebaka (Ram. 2:4). Misy dingana roa ny fibebahana: (1) ny alahelo noho ny ota ary (2) ny fanapahan-kevitra marina hiala amin'ny ota. Ao amin'ny Baiboly, ny fibebahana dia mifandray mandrakariva amin'ny famelan-keloka. Raha mibebaka marina isika dia mamela ny helotsika Andriamanitra. Tsotra! (1 Jao. 1:9; Apok. 3:19). "Ny Tampa tsy rnahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-pa lzy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra." - 2 Pet. 3:9. Eo am-panomanantsika ny fanahintsika ho amin'ny fiavian'i Kristy fanindroany, dia omen'Andriamanitra fotoana isika handaminantsika ny fifandraisantsika Aminy.

Nijaly, maty. ary nitsangana tamin'ny maty i Jesosy mba hahafahany manao fahagagana eo amin'ny fiainantsika, amin'ny alalan'ny fahasoavany, rehefa mibebaka isika. Tsy tahaka an'izao tontolo izao izay milaza hoe: «efa mety tsara izao maha ianao anao izao, Andriamanitra kosa dia manasa antsika hitodika Aminy amin'ny fibebahana sy ny finoana (Asa. 20:21), ka hametraka ny tenantsika manontolo eo an-tanany mba hahafahany manefy sy mamolavola ny toetrantsika ho tsara araka ny endriny, mba ho vavolombelony isika (Jao. 15:2,8). Amin'izay isika vao mitombo sy mamoa voa mendrika ny fibebahana (Mat. 3:8).

"Tsy misy fibebahana tena izy ka tsy arahin'ny asa fanavaozana. Ny fahamarinan'i Kristy akory tsy fitafiana fanao ivelany hanaronana ny fahotana izay tsy tiana ny hiaiky azy sy hiala aminy; foto-kevitty ny fiainana izay manova ny toetra amam-panahy sy mifehy ny fitondrantena izany." IFM, t. 590.

Mitondra fiainana ny fibebahana (Asa. 11:18) ary ampahany manan-danja amin'ny fitomboana amin'ny fifandraisana amin'Andriamanitra. Amin'ireto dingana ireto: mametraka ny tenantsika eo an-tanan'Andriamanitra, mibebaka, ary mamela an'Andriamanitra hanefy antsika, inona no sarotra indrindra aminao? 

Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.

Daty
Alarobia 03 June 2026

Rehefa tsapantsika ny vesatry ny otantsika ka avelantsika ny Fanahy Masina hitondra antsika eo an-tongotry ny hazo fijaliana, dia tokony hangataka ny famelan-kelok'Andriamanitra isika, noho ny fahafantarana fa "Mamindra fo sy miantra Jehôvah, mahari-po sady be famindrampo" - Sal. 103:8. Andriamanitra mihitsy no nilaza izany (Eks. 34:6) taorian'ny nanotan'ilay firenena nofidiny, izay nampalahelo Azy.

Vakio ny Eks. 34:1-10. Inona ny fahamarinan-dehibe hita eto?

Maty teo amin'ny hazo fijaliana i Jesôsy satria mamindra fo sy miantra Jehôvah , mahari-po sady be famindrampo - mba hiverina ho tsara indray ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra. 

Rehefa vonona hiaiky sy hitsotra ny fahotantsika isika, rehefa hoy isika: 'Tompo o, inty indray aho... Andriamanitra o, mamindra fo amiko mpanota'"- Lift 18:13, dia hitan'i Jesôsy — Izay efa niasa tao anatintsika sy ho antsika niaraka tamin'ny Fanahy Masina na dia tsy mbola niantso Azy aza isika — ny vesatra eo amintsika ka esoriny. Afaka ny enta-mavesatsika eo Kalvary, ary azo antoka fa tsy mba lavitra i Jesôsy rehefa manatona Azy isika, ary na mialoha ny anaovantsika izany aza, dia milady antsika toy ny Mpiandry Tsara Izy ary mandondona eo am-baravarana (Apôk. 3:20). Aoka isika tsy hiala lavitra ny Hazo Fijaliana ka hitazan-davitra an'Andriamanitra. Aoka isika hihazakazaka hanatona an'i Jesôsy ka ny fahamarinany no hasolo ny fahotantsika sy ny enta-mavesatsika (Zak. 3:4).

Vakio miadana ireto andininy manaraka ireto. Soraty amin'ny filazanao azy manokana ny ambaran'ireo momba ny fahasoavan'Andriamanitra aminao:

"Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsika." - Rôm . 6:23.

"Nefa teo amin'izay nihabiazan'ny ota no nihoaran'ny fahasoavana be lavitra, mba ho tahaka ny nanjakan'ny ota tao amin'ny fahafatesana no hanjakan'ny fahasoavana kosa amin'ny fahamarinana ho fiainana mandrakizay amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy Tompontsika." - R6m. 5:20,21.

"Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa Pony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy" - Rôm. 5:8. 

Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.

Daty
Alakamisy 04 June 2026

Ny fanasana akanjo tsara tarehy matetika no amaritan'izao tontolo izao ny atao hoe mpanankarena. Misy oIona milaza hoe: "Miakanjo toy izao aho mba hanehoako ny maha izaho ahy." Tsy misy zava-maharitra ankoatra ny fifandraisantsika anefa any an-danitra, fa ny zavatra hafa rehetra ho levona avokoa (Mat. 6:19-21). Tokony ho voasarona ao Jesosy sy ny akanjom-pahamarinany tonga lafatra ny rnaha isika antsika.

Vakio ilay fanoharana nanazavan'i Jesôsy izany ao amin'ny Mat. 22:1-14. Inona avy ireo hafatra hitanao ao anatin'io fanoharana io?

Nantsoin'i Jesôsy hoe "ry sakaiza" ilay lehilahy tsy nanao ny akanjo tokony hanaovana, ary na voalaza aza fa tsy namaly izy, dia inoana fa nanana fifandraisana izy ireo. Tsy maintsy ho nahafantatra momba Hay akanjo io lehilahy io saingy nifidy ny tsy hanao izany. Tonga lafatra sy tsy misy tsiny ny toetran'i Jesôsy, ary atolony antsika izany ka hatafiny antsika ny "rongony fotsy madinika sady madio no mangatsakatsaka"- Apôk. 19:8, "tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany"- Efes. 5:27.

Ny rongony fotsy dia "Fahamannan’ i Kristy (...), toetrany tsy misy pentina izay zaraina amin'ny alalan'ny finoana ho an'izay rehetra mandray Azy ho Mpamonjin'ny tenany manokana."— HF, t. 321, ed. 2004.

Nitafy akanjo fotsy vita amin'ny hazavana malefaka i Adama sy i Eva fony tsy mbola rehefa nanota kosa izy ireo, dia nahatsiaro ho nitanjaka (Gen. 3:7) ka nanamboatra akanjo tamin'ny ravin'aviavy. Avy eo dia nosoloan'Andriamanitra akanjo hoditra (hodi-biby) izany akanjo ravin'aviavy nataony izany. Nisy sorona natao mba hahazoan'izy mivady akanjo. Toy izany koa, manaiky ny sorona nataon'i Jesôsy isika amin'ny fandraisana ny akanjom-pahamarinany. "Nitanjaka sy menatra izy ireo, ka niezaka ny hanolo flay fitafian'ny lanitra tamin'ny fanjairany ravin'aviavy ho fitafiany. (...) Tsy misy azon'olona visavisaina hanolo ny akanjon'ny tsy fananan-tsininy izay efa very. Tsy mita fitafiana amin'ny ravin'aviavy, tsy misy akanjo fanaon'ny olona eo amin'izao tontolo izao azon'ireo izay hiara-mipetraka amin'i Kristy sy ny anjely hanaovana amin'ny fanasana fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Ny fitafiana izay nomanin7 Kristy ihany no hahazoantsika miseho eo anatrehan'Andriamanitra. lo fitafiana io, ny akanjon'ny fahamannan'ny tenany, no atafin'i Kristy ny fanahy rehetra mibebaka sy mino Azy." — HF, t. 322, ed. 2004.

Saintsaino: Tokony hitafy isan'andro ny akanjom-pahamarinan'i Jesôsy isika. Inona no tena hevitr'izany, ary ahoana no hanaovantsika izany? 

Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 05 June 2026

Matetika ny Baiboly no mampiasa fanoharana momba ny fambolena hanoritsoritana ny toetrantsika ara-panahy. Ohatra iray mahazava tsara nodinihintsika tamin'ity herinandro ity ny voalaza ao amin'ny Hôs. 10:12:

"Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana, mijinja araka ny fitiavana, hevoy ny tombam-borakareo; fa izao no andro hitadiavana an’ i Jehôvah ambara-pihaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo."

Mamafy isika, mijinja, miasa ny tany mafy, ary mitady an'Andriamanitra mba hanakaiky antsika. Tsy maintsy amboarina sy omanina ho amin'ny firotsahan'ny ranonorana (ny Fanahy Masina) ny tanin'ny fontsika. Azon'Andriamanitra atao ny manome antsika faniriana hanomana ny tany, saingy raha ny marina, ny fifandraisana amin'Andriamanitra dia fiaraha-miasa (jereo ny Fil. 2:12,13). Tsy maintsy mitodika any Aminy isika, manatsotra ny tanantsika, ary mamikitra Aminy. Avy eo izy no miasa ao anatintsika hanao ny sisa.

Ato amin'ireto andininy ireto ny ohatra iray lehibe momba ny hevitry ny hoe mifikitra amin'Andriamanitra: "Ny masonareo efa nahita izay nataon'i Jehôvah noho ny tamin'i Bala-peora; fa ny olona rehetra izay nanaraka an'i Bala-peora dia naringan’i Jehôvah Andriamanitrao tsy ho eo aminao. Fa hianareo izay nifikitra tamin’ i Jehôvah Andriarnanitrareo kosa dia samy velona avokoa izao anio izao."- Deo. 4:3,4.  

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra 
1. "Aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny ratsy" - Mat. 6:13. Nampianarin'i Jesôsy manokana ny mpianany hivavaka toy izany. Ary isika vemihazona izany toe-tsaina izany amin'ny vavaka ataontsika isan'andro? Impiry ianao no mivavaka mangataka fiarovana tsy ho azon'ny fakam-panahy sy ny fahotana?

2. Ahoana no hanazavanao amin'ny olona tsy Kristianina na vao niova fo ny amin'ilay fanomezan-tsarobidy, dia ny akanjom-pahamarinan'i Kristy?

3. Ahoana no ifandraisan'ny akanjom-pahamarinan'i Kristy amin'ny hafatra voizin'ny fitoerana marina, izay momba ny famelan'Andriamanitra ny heloky ny mpanota mibebaka sy ny fanadiovany azy? Hatraiza ny fahafantaranao ny hakanto sy ny hasarobidin'izany hafatra izany? 
 

Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 06 June 2026

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana mariina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal