Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Zanak’Andriamanitra aho

Daty
Alarobia 02 October 2024

 "Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa." — Rôm. 8:17.

Mofon’aina:
Ny herin'ny fahasoavana dia hanalefaka ny fo, hanadio sy hamotsy ny ao anaty, ka fahaiza-mitondra sy fahaiza-miaina avy any an-danitra no homeny antsika. Tsy ho mpanandra-tena ny Kristianina satria tsy toetran'i Kristy izany. Hoy ny Mpanavotra izao tontolo izao, Ilay nisolo ny mpanota sy aro ho azy: "Mankanesa aty amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana." — Mat. 11:28.

 Aoka anefa tsy hohadinointsika fa i Jesôsy Ilay malemy fanahy sy tsy miavona am-po dia manana ny toe-tsaina sy ny tanjon'ny mpandresy. (...) Izay tia ny Tompo Jesôsy amin'ny fo marina sy mahitsy dia ho tia ireo izay namoizan'i Kristy ny ainy mba hovonjena, ary hanararaotra ny fotoana rehetra hiasana ho an'i Kristy amin'ny maha-mpianany azy.

 Amin'ny maha-zanakalahy sy zanakavavin'Andriamanitra, izay mpiara-miasa amin'i Jesôsy Kristy sy manana tanjona mendrika, no tsy maintsy itondrantsika ny fiainantsika. Misolo tena an'i Jesôsy Kristy isika amin'ny toetra asehontsika, ary natao hanompo Azy amin'ny fo tsy mizarazara (...) ka Ilay ivo lehibe iorenan'ny fanantenantsika ny fiainana mandrakizay sy ny fahasambarana dia hitondra antsika ho amin'ny firaisan-tsaina sy ny firindrana tanteraka. (...) 

Aoka ny fiainantsika ankehitriny hiainantsika amim-pinoana an'i Kristy. Raha mpanara-dia an'i Kristy isika dia tsy ho asa soa kely tsindraindray, arakaraky ny toe-javatra sy ny manodidina — fihetsika ao anatin'ny fahataitairana, izay maneho fa ny fihetseham-po no mibaiko antsika, fifandirana madinidinika, fitsiriritana, fialonana, ary fitiavan-tena, no mandrafitra ny fiainantsika. Tsy mifanaraka velively amin'ny fiainana lavorarin'i Jesôsy izany, ary tsy ho mpandresy isika raha mbola manana ireo fahalemena ireo. (...)

Eo am-piatrehanao ireo trangam-piainana samihafa, ka tojo teny izay nokendrena mihitsy mba hanindrona sy handratra ianao, dia ataovy hoe: "Zanak'Andriamanitra aho, mpiray lova amin'i Jesôsy, mpiara-miasa amin'Andriamanitra. Koa tsy azoko atao ny manana sain-dratsy, mora tohina, tsy mihevitra afa-tsy ny tenako (...). Nomen'Andriamanitra asa hotanterahina aho; aoka aho ho mendrika ny andraikitra nankininy tamiko." — UL, t. 36. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.
Sun 28 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Paoly mpifatotra an’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tao amin’ny fifatorana.
Tue 30 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tany Filipy
Wed 31 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly sy i Kolosia
Thu 01 Jan 2026
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Ny fiangonana tany Filipy sy tany Kolosia.
Fri 02 Jan 2026
Lesona 1: ENJENIHA NEFA TSY NAFOY - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny
Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal