Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Zanak’Andriamanitra aho

Daty
Alarobia 02 October 2024

 "Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa." — Rôm. 8:17.

Mofon’aina:
Ny herin'ny fahasoavana dia hanalefaka ny fo, hanadio sy hamotsy ny ao anaty, ka fahaiza-mitondra sy fahaiza-miaina avy any an-danitra no homeny antsika. Tsy ho mpanandra-tena ny Kristianina satria tsy toetran'i Kristy izany. Hoy ny Mpanavotra izao tontolo izao, Ilay nisolo ny mpanota sy aro ho azy: "Mankanesa aty amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana." — Mat. 11:28.

 Aoka anefa tsy hohadinointsika fa i Jesôsy Ilay malemy fanahy sy tsy miavona am-po dia manana ny toe-tsaina sy ny tanjon'ny mpandresy. (...) Izay tia ny Tompo Jesôsy amin'ny fo marina sy mahitsy dia ho tia ireo izay namoizan'i Kristy ny ainy mba hovonjena, ary hanararaotra ny fotoana rehetra hiasana ho an'i Kristy amin'ny maha-mpianany azy.

 Amin'ny maha-zanakalahy sy zanakavavin'Andriamanitra, izay mpiara-miasa amin'i Jesôsy Kristy sy manana tanjona mendrika, no tsy maintsy itondrantsika ny fiainantsika. Misolo tena an'i Jesôsy Kristy isika amin'ny toetra asehontsika, ary natao hanompo Azy amin'ny fo tsy mizarazara (...) ka Ilay ivo lehibe iorenan'ny fanantenantsika ny fiainana mandrakizay sy ny fahasambarana dia hitondra antsika ho amin'ny firaisan-tsaina sy ny firindrana tanteraka. (...) 

Aoka ny fiainantsika ankehitriny hiainantsika amim-pinoana an'i Kristy. Raha mpanara-dia an'i Kristy isika dia tsy ho asa soa kely tsindraindray, arakaraky ny toe-javatra sy ny manodidina — fihetsika ao anatin'ny fahataitairana, izay maneho fa ny fihetseham-po no mibaiko antsika, fifandirana madinidinika, fitsiriritana, fialonana, ary fitiavan-tena, no mandrafitra ny fiainantsika. Tsy mifanaraka velively amin'ny fiainana lavorarin'i Jesôsy izany, ary tsy ho mpandresy isika raha mbola manana ireo fahalemena ireo. (...)

Eo am-piatrehanao ireo trangam-piainana samihafa, ka tojo teny izay nokendrena mihitsy mba hanindrona sy handratra ianao, dia ataovy hoe: "Zanak'Andriamanitra aho, mpiray lova amin'i Jesôsy, mpiara-miasa amin'Andriamanitra. Koa tsy azoko atao ny manana sain-dratsy, mora tohina, tsy mihevitra afa-tsy ny tenako (...). Nomen'Andriamanitra asa hotanterahina aho; aoka aho ho mendrika ny andraikitra nankininy tamiko." — UL, t. 36. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal