Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4 : FANAMBARANA AN'I KRISTY HO MESIA - I Filipo sy i Natanaela

Daty
Alarobia 23 October 2024

Vakio ny Jao. 1:43-46. Inona no nolazain'i Filipo, izay nanambara fa efa nino an'i Jesôsy Izy?

Avy any Betsaida, tananan'i Andrea sy i Petera i Filipo. Nahita an'i Natanaela namany izy ary nitantara ny momba an’ i Jesôsy taminy. "Zanak'ondrin'Andriamanitra" no niantsoan'i Jaona mpanao batisa an'i Jesôsy. ary i Andrea nilaza tamin'i Petera fa nahita ny "Mesia" izy. Fa i Filipo kosa nilaza Azy ho "llay nosoratan'i Mosesy tao amin'ny lalàna, sy nosoratan'ny mpaminany" sady nampiany ilay anarana hoe: "Jesôsy avy any Nazareta". Nahatonga an'i Natanaela hanao fihetsika toa masiaka ny fandrenesana ilay anaran-tanàna hoe Nazareta.

Toa nisy hevitra nibahana mialoha momba ilay tanána kelin'i Nazareta tao an-tsain'i Natanaela. Ninoany fa tsy hisy mpanjaka velively hipoitra avy amin'io toerana tsy dia manahoana io. Mahajamba ny maso mora foana ny hevitra mibahana mialoha, ka tsy ahitana ny olona araka izay maha-izy azy marina. Toa fantatr'i Filipo, angamba avy amin'ny resaka nifanaovany mialoha tamin'i Natanaela, fa ny fomba mahomby hialany amin'ny hevitra mibahana mialoha dia tsy tohan-kevitra tsara lahatra ara-pilozófia na ara-teôlôjia, fa ny fanasana azy hanandrana ny fahamarinana ho an'ny tenany manokana. Hoy fotsiny izy: "Andeha hizaha. "Ary izany indrindra no nataony; nandeha izy dia nahita.

Vakio ny Jao. 1:47-51. Ahoana no nandresen'i Jesôsy lahatra an'i Natanaela mikasika ny Tenany? Inona no nasetrin'i Natanaela izany?

Tsy hita eo anelanelan'ny and. 46 sy ny and. 47 ny tsipiriany manan-danja momba ny namalian'i Natanaela ny fanasan'i Filipo. Kanefa nitsangana sy nandeha ihany izy mba hizaha. Nahery noho ny hevitra nibahana tao an-tsainy ny finamanany tamin'i Filipo, ka teo an-dalam-piovana ny fiainany nanomboka teo.

Nanao teny tsara momba an'i Natanaela i Jesôsy, niantso azy hoe Isiraelita izay tsy misy fitaka ao aminy (Jao. 1:47), izay mifanohitra tanteraka amin'ny filazan'i Natanaela momba an'i Jesôsy  (Jao. 1:46). Nanaitra an'i Natanaela tokoa izany satria tsy mbola nahita an'i Jesôsy izy talohan'io.

Avy eo dia nilaza i Jesôsy fa nahita azy teo ambanin'ny aviavy, ary io fanambarana kely io no nandresy lahatra an'i Natanaela. Tamin'ny mason'Andriamanitra no nahitan'i Jesôsy an'i Natanaela nivavaka, nikatsaka ny fahamarinana teo ambanin'io hazo io (jereo ny IFM, t. 99, ed. 2023).

Dia niaiky i Natanaela, niantso an'i Jesôsy hoe Raby, Zanak’Andriamanitra, Mpanjakan'ny Isiraely. Mariho fa ilay fanambarana toa kely dia kely no nitarika ho amin'ny fiaikem-pinoana lehibe dia lehibe.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal