Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Avelao Andriamanitra hanao ny sitrapony aminao

Daty
Alarobia 16 October 2024

"Ary Andriamanitry ny fiadanana, (...) Izy anie hahatanteraka anareo amin'ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin'ny alalan’i Jesôsy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay." - Heb. 13:20,21. 

Mofon’aina:
Raha mandinika ny tenin' Andriamanitra sy mampihatra ny fampianarany eo amin'ny raharahany ara-barotra rehetra ny olona dia ho fantany ny toe-tsaina mifehy ny asany. Azony atao ny tsy manaraka ny firehana sy ny fironana maha-olombelona fa mianatra amin-jotom-po kosa ireo foto-kevitra tokony hifehy ireo zanakalahy sy zanakavavin' i Adama.

Ny Baiboly no tari-dalana mamaha ireo olana lehibe ao amin'ny saina mirona ho amin'ny fitiavan-tena. Maneho taratra ny fahendren' Andriamanitra izy, ary tsy foto-kevitra lehibe manan-danja fotsiny no raketiny fa lesona tsotra azo ampiharina amin'ny fiainana sy ny fitondran-tenan'ny olona amin'ny olona namany koa. (...) Fanambarana feno ny toetran'Andriamanitra sy ny sitrapony, araka ny fiainan'i Jesosy Kristy, ny Baiboly, ary aseho ao ny adidin'ny olombelona tokony hanompo an'Andriamanitra amin'ny fo manontolo, sy hanontany isaky ny indray mandingana hoe: "Sitrapon'ny Tompo ve ity?" (...)

Voafitaky ny fahasimban'ny fomba fijeriny ny sain'ireo izay tsy voahosotra odi-maso avy any an-danitra ny masony mba hahitany ny zavatra rehetra eo ambany fanazavan'ny Tenin'Andriamanitra. Voageja ny sitrapo ka voatery hanaraka lalana izay tsy tohanan'ny Tenin'Andriamanitra. Tsy azon'olona, na iza na iza fehezina ny sitrapon'ny olona iray hafa. Raha vao safotra ao ambadiky ny sitrapon'ny olona hafa ny sitrapon'ny olona iray dia voafitaka izy. (...)

 Raha manaiky ny olona, dia azon'Andriamanitra atao ary faniriany ny hanao izay hitovian'ny sitrapo sy ny fisainantsika ary ny tanjontsika amin'ny Azy; tiany hifandrindra amin'ny Teniny ny fontsika sy ny saintsika, hany ka rehefa mankatò ny sitrapony isika dia tsy manao afa-tsy manatanteraka ny firehana ao an-tsaintsika rahateo. Ho lavitra ny olona toy izany ny toetra tsy masina, na tia tena, fa hafana fo sy ho tapa-kevitra izy hiasa amin'ny fahasaro-piaro ho voninahitr'Andriamanitra.

Tsy maintsy mitondra ny ziogan'i Kristy izay rehetra te hamolavola toetra kristianina tanteraka. Raha tian'izy ireo ny hiara-mipetraka any an-danitra ao amin'i Kristy Jesôsy, dia tsy maintsy mianatra Aminy dieny eto an-tany izy ireo. — UL, t. 187. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal