Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Avelao Andriamanitra hanao ny sitrapony aminao

Daty
Alarobia 16 October 2024

"Ary Andriamanitry ny fiadanana, (...) Izy anie hahatanteraka anareo amin'ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin'ny alalan’i Jesôsy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay." - Heb. 13:20,21. 

Mofon’aina:
Raha mandinika ny tenin' Andriamanitra sy mampihatra ny fampianarany eo amin'ny raharahany ara-barotra rehetra ny olona dia ho fantany ny toe-tsaina mifehy ny asany. Azony atao ny tsy manaraka ny firehana sy ny fironana maha-olombelona fa mianatra amin-jotom-po kosa ireo foto-kevitra tokony hifehy ireo zanakalahy sy zanakavavin' i Adama.

Ny Baiboly no tari-dalana mamaha ireo olana lehibe ao amin'ny saina mirona ho amin'ny fitiavan-tena. Maneho taratra ny fahendren' Andriamanitra izy, ary tsy foto-kevitra lehibe manan-danja fotsiny no raketiny fa lesona tsotra azo ampiharina amin'ny fiainana sy ny fitondran-tenan'ny olona amin'ny olona namany koa. (...) Fanambarana feno ny toetran'Andriamanitra sy ny sitrapony, araka ny fiainan'i Jesosy Kristy, ny Baiboly, ary aseho ao ny adidin'ny olombelona tokony hanompo an'Andriamanitra amin'ny fo manontolo, sy hanontany isaky ny indray mandingana hoe: "Sitrapon'ny Tompo ve ity?" (...)

Voafitaky ny fahasimban'ny fomba fijeriny ny sain'ireo izay tsy voahosotra odi-maso avy any an-danitra ny masony mba hahitany ny zavatra rehetra eo ambany fanazavan'ny Tenin'Andriamanitra. Voageja ny sitrapo ka voatery hanaraka lalana izay tsy tohanan'ny Tenin'Andriamanitra. Tsy azon'olona, na iza na iza fehezina ny sitrapon'ny olona iray hafa. Raha vao safotra ao ambadiky ny sitrapon'ny olona hafa ny sitrapon'ny olona iray dia voafitaka izy. (...)

 Raha manaiky ny olona, dia azon'Andriamanitra atao ary faniriany ny hanao izay hitovian'ny sitrapo sy ny fisainantsika ary ny tanjontsika amin'ny Azy; tiany hifandrindra amin'ny Teniny ny fontsika sy ny saintsika, hany ka rehefa mankatò ny sitrapony isika dia tsy manao afa-tsy manatanteraka ny firehana ao an-tsaintsika rahateo. Ho lavitra ny olona toy izany ny toetra tsy masina, na tia tena, fa hafana fo sy ho tapa-kevitra izy hiasa amin'ny fahasaro-piaro ho voninahitr'Andriamanitra.

Tsy maintsy mitondra ny ziogan'i Kristy izay rehetra te hamolavola toetra kristianina tanteraka. Raha tian'izy ireo ny hiara-mipetraka any an-danitra ao amin'i Kristy Jesôsy, dia tsy maintsy mianatra Aminy dieny eto an-tany izy ireo. — UL, t. 187. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal