Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manaja ny fitsipika

Daty
Zoma 18 October 2024

"Endrey ny fitiavako ny lalànao, fisaintsainako mandrakariva izany." - Sal. 119:97. 

Mofon’aina:
Aoka ireo izay manaja ny fitsipika, toy ny hoe tsy misy na nona na inona mety hampiala azy amin' izany, hahazo antoka fa takany tsara ireo fitsipika ambara ao amin'ny Baiboly mba hitarihan-dalana antsika. Misy ireo izay manaraka fitsipika diso. Tsy araka ny tokony ho izy ny fisainany momba ny fitsipika. Ny fitandremana amim-pahatokiana ny didy efatra voalohany sy ny didy enina farany no atao hoe manaraka ny fitsipika marina. Ny fankatoavana ireo didin'Andriamanitra ireo no atao hoe mihinana ny nofon'i Kristy sy misotro ny rany (...). Homba izay rehetra mandray Azy ho Mpamonjiny i Kristy. Homeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra izy ireo. (...) 

Ny Zanak'Andriamanitra no lazaina hoe "Teny" ao amin'ny Jao. 1:14, Ilay Kômandy tany an-danitra nefa tonga teto amin'izao tontolo izao hanambara ny zava-panahy amin'ny olombelona lavo. Izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana. (...) Rehefa tonga nofo Izy dia nanjary sady Andriamanitra no olombelona, ary izany no mahatonga Azy ho afaka manavotra tanteraka ny taranak'olombelona sy mamerina azy ireo ho amin'ny tombon-tsoan'ilay fiainana ambony kokoa.

Tahaka ny olombelona no nanombohany ny fiainany teto an-tany; teraka toy ny zazakely tsy afa-manoatra Izy. Nanana fiainana tahaka ny olombelona rehetra Izy, izay handray ny fanomezan-tsarobidy avy amin'Andriamariitra ho an'izao tontolo izao, dia ny Zanany nirahiny hanatanteraka ny drafi-panavotana.

Nizaka ny sazin'ny ota i Kristy, niharan’ny fitsaran' Andriamanitra, mba tsy ho very ny olombelona. Ny tenany no nampiharana ny didim-pitsarana tokony ho an'ny mpanota. Izany no siansan'ny famonjena, izay azo halalinina tsara sady mahasoa ny fiezahana hahatakatra izany. (...)

 Hotsaraina araka ny fandavany ny fahazavana ireo izay manohy mandika ny lalàna. Mifidy hiandany amin'ny mpanjakan'ny fahamaizinana izy ireo, ka manjary tanany ankavanana (...). Mandà ilay fahazavana mahagaga avy any an-danitra izy ireo, ary na mety hitory fahamarinana aza izy ka miresaka ny amin'ny "fanarahana fitsipika", dia tsipahiny ny fitsipiky ny lanitra feno fahamendrehana, ary ampianariny hanaraka izany fitsipika diso izany koa ny hafa. — UL, t. 196. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal