Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fitoerana masina

Daty
Sabotsy 19 October 2024

"Telon-jato sy roa arivo andro; ary nony afaka izany, dia amin'izay vao hodiovina ny fitoerana masina." - Dan. 8:14. 

Mofon’aina:
Mibaiko antsika Andriamanitra hanolotra ny fotoantsika sy ny herintsika ho amin'ny asa fitoriana ilay hafatra izay nampientanentana ireo lehilahy sy vehivavy tamin'ny taona 1843 sy 1844. (…) 

Ry mpiray fanantenana malala, mijoroa eo amin'izay asain'ny Tompo ijoroanao. Ilaozy eo ireo izay efa nomena fahazavana ombieny ombieny kanefa mbola mifidy hiandany amin'ny fahavalo ihany. (...) Tanteraho ny asa nampanaovina antsika. Ny Tenin'Andriamanitra no hafatra entinao, koa mijoroa eo amin'ny polipitran'ny fahamarinana ka torio ny fiavian'i Kristy tsy ho ela. Tsy maintsy handresy ny fahamarinana mandrakizay.

Niadian-kevitra sy notoherina nandritra ny antsasaky ny taonjato mahery ireo lafiny samihafa amin'ny fahamarinana ankehitriny. Nisy tsangan-kevitra vaovao naroso ho fahamarinana, kanefa tsy fahamarinana, dia nasehon'ny Fanahin'Andriamanitra ny fahadisoany. Rehefa naseho ireo andry lehiben'ny finoantsika dia vavolombelona nanamarina izany ny Fanahy Masina, indrindra ny fahamarinana momba ny fitoerana masina. Nanohana mandrakariva io foto-pinoana io tamin'ny fomba miavaka ny Fanahy Masina. Saingy ankehitriny, toy ny taloha ihany, dia hisy olona sasany ho voatarika hamorona tsangan-kevitra vaovao sy handà ny fahamarinana izay efa nasian'ny Fanahin'Andriamanitra tombokase.

Na iza na iza maneho tsangan-kevitra izay mampiala antsika amin' ilay fahazavana tonga tamintsika momba ny fanompoana ao amin'ny fitoerana masina any an-danitra, dia tsy tokony hekena ho mpampianatra. Zava-dehibe tokoa ho antsika vahoakan' Andriamanitra ny mahatakatra araka ny tokony ho izy ny amin'ny fitoerana masina. Rehefa nikatsaka fatratra ny hahazo fanazavana mikasika izany isika, dia tonga ny fahazavana. (...)

 Fantatro, tamin'ny alalan'ny fahazavana nomen'Andriamanitra ahy fa tokony hofohazina ireo hafatra efa notorina tamin'ny fotoana lasa satria hisy olona hitondra tsangan-kevitra vaovao, ka hiezaka hanaporofo fa ara-tSoratra Masina izany kanjo hevi-diso (...). Tsy azontsika atao ny manaiky ireny hevitra ireny toy ny fahamarinana. Tsia, tsy azontsika atao ny mandao ny fahamarinana izay efa nampiorenana antsika.

Hisy olona mandrakariva hitady zava-baovao, ka hanolana ny Tenin'Andriamanitra mba hampifanaraka izany amin'ny tsangan-keviny. Ry mpiray fanantenana malala, aoka isika handray izay nomen'Andriamanitra antsika sy izay nampianarin'ny Fanahiny antsika ho fahamarinana, ka hino izany. — UL, t. 199
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal