Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanalahidin'ny hevitry ny Soratra Masina 

Daty
Alahady 01 December 2024

«Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin'ny vovoka Izy.» - Jôba 19:25

Mofon’aina:
Ho an'ny zanak'Andriamanitra izay navela hitoetra ela tokoa teto amin'ity «lohasaha aloky ny fahafatesana» ity, dia misy fanantenana sarobidy miteraka fifaliana entin'ny teny fikasana momba ny fisehoan'Ilay «fananganana ny maty sy fiainana», izay hampody ilay noroahiny. Ny foto-pinoana momba ny fiverenan'i Jesôsy fanindroany no fanalahidin'ny hevitry ny Soratra Masina rehetra. Hatramin'ny andro izay nandiavan'ireo mpivady voalohany ilay lalam-pahoriana niala an'i Edena, dia efa niandry ny fiavian'Ilay Nampanantenaina hanamontsana ny herin'ny mpandringana sy hamerina azy ireo indray ho amin'ilay Paradisa efa very ireo zanaky ny finoana. (...) I Enoka, izay vao taranaka fahafito monja avy tamin'ireo nonina tao Edena, sy niara-nandeha telonjato taona tamin'Andriamanitra tety an-tany, dia navela hitazana ny fiavian'Ilay Mpanafaka. «Indro, hoy izy, tonga Jehôvah  mbamin'ny masiny tsy omby alinalina hitsara ny olona rehetra» - Joda 14,15. Raha tao anatin'ny alim-pahoriana nahazo azy i Joba patriarka dia niteny tamin-toky tsy azo nohozongozonina hoe: «Fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin'ny vovoka Izy ... Sady afaka amin'ny nofoko aho, dia hahita an 'Andriamanitra; eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery fa tsy olon-kafa» -Jôba 19:25-27.

Andriamanitry ny fahasoavana rehetra anie hanazava tanteraka ny sainareo mba hahafahanareo mamantatra ny momba ny mandrakizay, ka amin'ny alalan'ny fahazavan'ny fahamarinana no hahafahanareo mahalala ny fahadisoanareo, izay betsaka tokoa, araka ny tena endriny, mba hahafahanareo manao ny ezaka ilaina hanalavirana azy ireo, ka eo amin'ny toeran'ny ratsy, ny voankazo mangidy dia afaka ny ho tonga voankazo sarobidy ho amin'ny fiainana mandrakizay.

Ampilefero eo amin'Andriamanitra ny fonareo (...); mietre, ambany dia ambany eo an-tongony amin'ny toetrareo rotidrotiky ny fahotana. Atokany ho an'ny asa fiomanana ny tenanareo. Aza mitsahatra mandra-pahatonga anareo ho afaka hilaza hoe: velona ny Mpamonjiko, ary satria velona Izy dia ho velona koa aho.

Raha verinareo ny lanitra dia verinareo ny zava-drehetra; raha mahazo ny lanitra ianareo dia mahazo ny zava-drehetra. Miangavy anareo aho, aza mamita-tena. Iankinan'ny mandrakizay izany. — Ma, t. 13 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal