Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: LALANA SY FAHAMARINANA ARY FIAINANA - " Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana "

Daty
Talata 03 December 2024

Vakio ny Jao. 14:5,6. Inona ny fanontaniana napetrak'i Tômasy momba ny toerana halehan' i Jesôsy? Inona no navalin'i Jesôsy azy?

Toa mitombina ihany ny fanontanian'i Tômasy. Raha tsy fantatrao izay alehan'ny olona iray, ahoana moa no hahafantaranao ny lalana hanarahana izany olona izany? Namaly i Jesôsy fa ny Tenany no làlana. Làlana mankaiza? Mankany amin'ny Ray. Asongadina ao amin'ny fitarihan-teny (Jao. 1:1-18) fa mifamatotra akaiky ny Teny (logos), i Jesôsy Kristy, sy ny Ray.

Voalaza ao amin'ny Jao. 1:18 fa ny Zanakalahy Tokana no nanambara ny Ray. Ny hoe "nanambara" eto dia avy amin'ny matoanteny grika hoe exēgeomai, izay midika hoe "manazava, mampiharihary". Avy amin'izany no ahazoana ny teny hoe exegesis, izany hoe mamoaka ny heviny. Araka izany, i Jesôsy Kristy no rohy mampifandray amin'ny Ray; Izy no manazava sy mamoaka ny hevitry ny Ray amin'izao tontolo izao lavo. Noho izany dia Izy no lalana mankany amin'ny Ray. Raha tsy misy Azy dia voafetra ny fahatakarantsika.

Vakio ny Jao. 14:7-11. Ahoana no nanazavan'i Jesôsy ny sain'i Filipo tao anatin'ny fahadisoan-keviny?

Nangataka mba hampisehoana ny Ray i Filipo. Zavatra tsy hain'ny olombelona atao na zakaina izany mahita ny Ray izany (ampitahao amin'ny Eks. 33:17- 34:9, Jao. 1:18). Nanome tsiny ny tsy fahatakarany i Jesôsy nanao hoe: "Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray" - Jao. 14:9. Koa mazava tsara fa lalana mankany amin'ny Ray tokoa i Jesôsy. Izy no fahazavana manazava ny lalana mankany amin'Andriamanitra. Raha tsy eo Izy dia maizina sy tsy azo antoka ny lalana.

Natambatr'i Jesôsy ireto teny telo ireto: lalana, fahamarinana, ary fiainana. Ankoatra ny ao amin'ny Jao. 14:6 dia indray mandeha ihany no ampiasana ny hoe "lalana", ao amin'ny Jao. 1:23, momba an'i Jaona manomana ny lalana ho an'i Jesôsy. Ny fahamarinana sy fiainana kosa dia lohahevi-dehibe ao amin'ny filazantsara. Hifantoka manokana amin'ilay lohahevitra manan-danjan'ny fahamarinana ny lesontsika Alarobia sy Alakamisy, indrindra eto amin'ity tontolo ity, izay mampisalasala be ihany ny famaritana ny atao hoe "fahamarinana".

Nahoana no mampahery tokoa ny mahafantatra fa i Jesôsy no fanambarana tsara indrindra ananantsika eto momba ny Ray sy ny toetrany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal