Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: LALANA SY FAHAMARINANA ARY FIAINANA - Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 06 December 2024

Vakio ny IFM, toko 51: "Ny fahazavan'aina", sy ny boky The Certainty of the Second Coming. "The Authority of the Bible and the Certainty of the Second Coming", tt. 23-36.

Rehefa nilaza i Jesôsy hoe: "Izaho no fahazavan'izao tontolo izao", "dia tao amin'ny kianjan'ny tempoly izay nanaovana ny fanompoana teo amin'ny Fetin'ny Tabernakely no nisy Azy. "Nijoalajoala teo afovoan'io kianja io ireo tongotra fanaovan-jiro roa avobe, izay nihantonan'ny fitoeran-jiro lehibe dia lehibe. Taorian'ny fanatitra hariva, dia narehitra ny jiro rehetra, ka nampitosaka ny fahazavany tamin'i Jerosalema. Natao ho fahatsiarovana ilay andrian'ny fahazavana izany fanompoam- pivavahana izany sady noheverina koa ho manondro ny fiavian'ny Mesia. Ny hariva, rehefa narehitra ny jiro, dia tonga toeram-piravoravoana lehibe ny kianja. (...)

"Ny fanazavana an'i Jerosalema dia nanehoan'ny vahoaka ny fanantenany ny fiavian'ny Mesia izay hanaparitaka ny fahazavany amin'ny Isiraely. Ho an'i Jesôsy anefa dia nalalaka kokoa ny dikany. Toy ny jiro mamirapiratry ny tempoly izay manazava ny manodidina azy rehetra, dia toy izany koa Kristy, loharanon'ny fahazavana ara-panahy, izay manazava ny haizina eo amin'izao tontolo izao. Tsy tanteraka anefa ny tandindona. Ilay fahazavana lehibe izay napetraky ny tanany teo amin'ny lanitra no mampiseho marina kokoa ny voninahitry ny asa nanirahana Azy.

"Maraina ny andro; vao niposaka indrindra teo amin'ny tendrombohitra Oliva ny masoandro ka namirapiratra sy nanjelanjelatra teo amin'ireo lapa vatosoa ny tara- pahazavany, ary nampitombo ny fahazavan'ny rindrina volamenan'ny tempoly, raha niteny Jesôsy, sady nanondro izany ka nanao hoe: "Izaho no fahazavan'izao tontolo izao".-IFM, t. 381.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Resaho ao amin'ny kilasy ny valin-teninao tamin'ilay fanontaniana farany tao amin'ny lesona Alakamisy. Inona ireo fahamarinan-dehibe ampianarin'ny Baiboly izay tsy ho azontsika ianarana na oviana na oviana avy amin'ny siansa, na ny ara-keviny ihany aza? Ohatra, ny hazo fijaliana? Sa ny fitsanganana amin'ny maty? Sa ny fiavian'i Jesôsy fanindroany? Inona koa ireo fahamarinana manan-danja ao amin'ny Baiboly izay tsy maintsy nambara tamintsika, raha tsy izany dia tsy ho nahafantatra izany mihitsy isika?

2. Saino ny amin'ny fahalavoan'i Losifera, ilay voary tonga lafatra izay nanam-pahalalana lehibe tokoa momba an'Andriamanitra sy ny toetrany. Na teo aza anefa izany rehetra izany dia mbola nikomy Taminy ihany izy. Inona no ambaran'izany amintsika momba ny maha-zava-misy ny safidy malalaka, izay ananantsika koa? Ary nahoana isika no mila mametraka tsy tapaka izany safidy izany eo an-tanan'Andriamanitra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal