Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fenitra ambony

Daty
Alakamisy 05 December 2024

  "Ary aoka ho masina ho Ahy hianareo, satria masina Aho Jehôvah ; ary efa navahako tamin'ny firenena samy hafa hianareo mba ho Ahy." - Lev. 20:26 

Mofon’aina:
Hitako ihany koa fa maro no tsy mahatsapa ny tokony ho toetrany mba hahavelona azy eo anatrehan'Andriamanitra kanefa tsy misy mpisoronabe manalalana ao amin'ny fitoerana masina, amin'ny fotoan-tsarotra. Tokony haneho ny endrik'i Jesôsy amin'ny fahafenoana ireo izay mandray ny tombokasen'ilay Andriamanitra velona sy voaro amin'ny androm-pahoriana. 

Hitako fa maro no nanao tsirambina ny fiomanana izay tena ilaina tokoa, ka niandry ny fotoana "famelombelomana" sy ny "ranonorana farany" mba hahafahany mijoro amin'ny andron'i Jehôvah sy ho velona eo anatrehany. O! Firifiry moa no hitako tsy nanan-kialofana tamin'ny androm-pahoriana. Natao tsirambina ny fiomanana nilainy fatratra ka tsy nahazo ny famelombelomana tokony ho azon'ny rehetra izy mba hanomanana azy hiaina eo imason'ilay Andriamanitra masina. Ireo izay tsy nanadio ny fanahiny tamin'ny alalan'ny fankatoavana ny fahamarinana rehetra dia ho avy amin'ny andro hianjeran'ny loza ary hahita amin'izany fa nilainy ny fanefena sy fanitsiana azy ho amin'ny fanorenana. Saingy tsy hisy ny Mpanelanelana hisolo vava azy eo anatrehan'ny Ray. Mialoha izany fotoana izany mantsy no hanononana ny fanambarana mahatahotra, manao hoe: "izay manao ny tsy marina aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy, ary izay masina, aoka mbola hihamasina ihany izy." (...)

Araka izany, tokony hanakaiky kokoa ny Tompo hatrany isika ary hikatsaka amin'ny fo tokoa ny fiomanana ilaina mba hahatonga antsika ho tafajoro ao anatin'ny ady amin'ny andron'i Jehôvah. Aoka ny rehetra hahatsiaro fa masina Andriamanitra ary tsy misy olona tsy masina hahajanona eo amin'ny fanatrehany.

Tokony hitandrina isika amin'izao fotoana izao mba tsy hanafintohina amin'ny teny na amin'ny asa atao (...) Tokony hitady an'Andriamanitra isika ary tsy hianina fotsiny amin'izao kanefa tsy eo amin'ny fanatrehany. Tokony hiambina sy hiasa ary hivavaka isika ( ...) Ho feno fahamatorana tokoa ny fiainantsika amin'izany satria manara-dia an'i Jesôsy akaiky amin'ny asa sy ny tenintsika rehetra isika! — Ma, t. 41

 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal