Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fotoan-tsarotra ho avy

Daty
Sabotsy 07 December 2024

 "Indrisy ny andro! Fa efa antomotra ny andron’i Jehôvah , ka tahaka ny loza tsy toha avy amin'ny Tsitoha no fihaviny." — Joe. 1:15. 

Mofon’aina:
Ireo faminaniana nomen'Ilay IZAHO be voninahitra tao amin'ny Teniny, dia mitovy amin'ny masom-by eo amin'ny rojon' ireo toe-javatra mitranga izay mampiray ny mandrakizay efa lasa sy ny mandrakizay mbola ho avy. Amin'ny alalan'ireny no ahalalantsika izay misy antsika ankehitriny (...) Izay rehetra voalazan'ny faminaniana mialoha ka tokony ho tonga hatramin'izao androntsika izao dia efa voasoratra ao amin'ny pejin'ny tantara, ary azon 'ny olona atao ny hatoky fa izay zavatra rehetra tokony ho tonga dia tsy maintsy ho tanteraka (...) 

(...) Mihotakotaka ny zavatra rehetra eto an-tany. Ireo faminaniana nomen'ny Mpamonj y momba ny zavatra hitranga alohan'ny hiverenany, dia tanteraka eo ambany masontsika. "Handre ady sy filazana ady hianareo ... Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin'ny tany samy hafa. " — Mat. 24:6-7.

Manolotra zava-dehibe loatra ho antsika izao andro iainantsika izao. Ireo (...) mipetraka eo amin'ny toeram-pitokisana rehetra, (...) dia samy mampifantoka ny sainy amin'ireo toe-javatra mitranga manodidina .antsika. Manara-maso fatratra ny fifandraisana amin'ny samy hafa firenena izy ireny ary mahamarika ny hery mandrirotra eo amin'ny zavatra eto an4any, sady mahafantatra fa hisy zava-dehibe tsy isalasalana hiseho: efa eo an-katoky ny loza aman'antambo mampivarahontsana izao tontolo izao. 

Ny Baiboly ary ny Baiboly irery ihany no manome fahitana marina izany zavatra izany. Izy no manambara amintsika ny toe-javatra lehibe farany amin'ny tantaran'ny tanintsika ary milaza amintsika izay hitranga ka efa mandefa ny tandindony mahatonga fanjombonana eto an-tany, sady mahatonga antsika handre ny feo manambara ny fahantomorany (...)

 Ary amin'izao androntsika izao dia hozahan-toetra ny olona rehetra sy ny firenena rehetra, ka hafàtra amin'ny famarana eo an-tanan'Ilay tsy mety ho voafitaka. Hametra izay ho anjarany amin'ny alalan'ny safidy ataon'ny tenany ny olona sy ny firenena rehetra, ary hitantana ny zava-drehetra Andriamanitra ho fanatanterahana ny fikasany.

Tokony hiomana (...) ny Kristianina. Ary amin'izany fiomanana izany dia ilaina ny fandinihana lalina ny Tenin'Andriamanitra sy ny fiainana mifanaraka amin'ny fitsipiny. — Ma, t. 68 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal