Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hifankafantatra isika

Daty
Alarobia 25 December 2024

"(...) fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy." - 1 KOr. 13:12

Mofon’aina: 
Ho fantatsika ny namantsika, toy ny mpianatra nahafantatra an'i Jesosy koa. Mety ho simba ny bikany, ny fahasalamany, na ny tarehiny teto amin'ity fiainana misy fahafatesana ity; hitsangana amin'ny fahasalamana tanteraka sy ny tena mifandrindra tanteraka izy, nefa ho voatahiry tanteraka ny maha-izy azy na dia ao amin' io tena be voninahitra io aza. Amin' izay dia hahafantatra toy ny ahafantarana antsika isika. Ho fantatsika ao amin'ny endrika manjelanjelatra noho ny fahazavana mamirapiratra eo amin'ny tavan' i Jesôsy izay mampiavaka ireo olon-tiantsika. 

Haneho ny fankasitrahany ireo izay namahana ny noana sy nanafy ny mitanjaka ny sasany amin'izy ireo. Izao no holazainy: "Raha namatotra ny fanahiko tao anatin'ny tsy finoana ny fahadisoam-panantenana, dia naniraka anao ho any amiko ny Tompo, mba hilaza teny mitondra fanantenana sy fampaherezana. Nitondra sakafo ho ahy ianao, ary nanokatra ho ahy ny Tenin'Andriamanitra ka naneho tamiko fa misy zava-panahy ilaiko. Noraisinao ho toy ny rahalahy tokoa aho. Niara-nitondra ny fahoriako ianao ary nanasitrana ny fanahiko torotoro sy naratra mba handraisako ny tanan'i Kristy izay nitsotra hanavotra ahy. Raha tao anatin'ny tsy fahalalako aho, dia nampianarinao tamim-paharetana fa manana Ray any an-danitra izay miahy ahy. Novakinao tamiko ireo teny fikasana sarobidin'ny tenin'Andriamanitra. Noho ny aminao dia nino aho fa hamonjy ahy Izy. Tonga nalefaka sy nilefitra ary torotoro ny foko raha nibanjina ny sorona nataon'i Kristy ho ahy. (...) Indro aho, voavonjy mandrakizay, ho velona mandrakizay eo amin'ny fanatrehany sy hidera Azy Ilay nanolotra ny ainy ho ahy."

 Ho toy inona re ny hafalian'ireo voavotra rehetra hifankahita sy hifampiarahaba amin'Ilay nilanja enta-mavesatra noho ny aminy! Ary ireo izay niaina, tsy ho an'ny fahafinaretan'ny tenany, fa ho fitahiana ho an' ireo malahelo izay zara raha nanana fitahiana - hanao ahoana re ny fifaliana ao am-pony! — Ma, t. 303 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal