Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ho tafahaona indray ny mpianakavy

Daty
Alakamisy 26 December 2024

  "Izao no lazain 'i Jehôvah: atsaharo ny fitomanianao sy ny fandatsahanao ranomaso; fa hisy valiny tokoa ny ataonao, hoy Jehôvah, ary hody avy any amin'ny tanin'ny fahavalo ireny. Ary misy fanantenana ho anao any am-parany, hoy Jehôvah; fa ny zaza dia hiverina ho any amin'ny taniny indray." - Jer. 31:16,17.

Mofon’aina:
Avy amin'ny rahona sy ny voninahitra lehibe Kristy. Anjely mamirapiratra marobe no hanotrona Azy. Ho avy hanangana ny maty Izy, hanova ny marina velona avy amin'ny voninahitra ka ho amin'ny voninahitra. Ho avy Izy hanome voninahitra izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, ary ho avy Izy handray azy ho any Aminy. Tsy nanadino azy Izy na nanadino ny teny fikasany. Hisy indray ny fampitohizana ny rohim-pianakaviana.

Ny andron'i Jehôvah no haneho ny fankasitrahana tokony hataon' izao tontolo izao amin'ireo renim-pianakaviana matahotra an'Andriamanitra. (...)

 Rehefa hipetraka ny Mpitsara ary hovelarina ny boky (...) dia maro no hanala ny satroboninahiny eo imason' izao rehetra izao ary hanondro ny reniny sady hilaza hoe: "Ny reniko no naha-toy izao ahy noho ny fahasoavan' Andriamanitra. Notahina ny fanabeazany sy ny vavaka nataony ka nahazoako ny fiainana mandrakizay."

Tsy hay lazaina ny hafalian'ireo ray aman-dreny raha mijery ny zanany tolorana satroboninahitra sy akanjo lava ary lokanga. Tapitra ny androm-panantenana sy ny andron'ny tahotra. Mety tsy azo nantenaina no fahitana ireo voa nafafy tamin-dranomaso sy tamim-bavaka, kanefa tamim-pifaliana nony farany no nijinjana ny vokany. Voavotra ny zanany.

 Endrey! Fanavotana mahagaga! Efa natao ambentin-dresaka hatry ny ela, nantenaina, nobanjinina mialoha tamin-kafanampo dodona, nefa tsy mbola nazava tamin'ny fomba feno mihitsy.

 Sakaiza niara-dia isan'andro sy nifankazatra taminy i Kristy, ho an' ireo mpanaraka Azy mahatoky. Efa niaina tamin'ny firaisana ety sy mitohy tamin'Andriamanitra izy ireo. Efa niposaka taminy ny voninahitry ny Tompo. Efa nitaratra teo aminy ny fahazavan'ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra eo amin'ny tavan'i Jesôsy Kristy. Izao dia miravoravo eo amin'ny tara-pahazavana feno famirapiratana ny amin'ny fahalehibeazan'ny lanitra izy. Voaomana ho amin'ny firaisan'ny mponin'ny lanitra izy, satria efa nanana ny lanitra tao am-pony. — Ma, t. 308

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal