Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Misaina ny zavatry ny lanitra

Daty
Sabotsy 28 December 2024

 "Ireo no avy tamin'ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin'ny ran'ny Zanak'ondry." - Apôk. 7:14.

Mofon’aina:

Nahita vondron'olona nitafy akanjo fotsy i Jaona tao amin'ny fahitana nomena azy. (...) Tao amin'ny tempolin'Andriamanitra ireo vahoaka ireo. Izany no ho valisoan'ireo rehetra nifikitra tamin'ny fahamendrehan' i Kristy sy nanasa ny akanjony tamin'ny rany. Efa natao izay azo natao rehetra mba hahafahantsika miara-mipetraka amin'i Kristy eo amin'ny seza fiandrianany; fepetra manandrify izany anefa ny handehanantsika araka ny didin'Andriamanitra.(...)

Tsy tokony hanao izay hamoizana ny lanitra isika. Aoka hataontsika anton-dresaka ny zavatry ny lanitra. Tsy hisy alahelo na fahafatesana any; nahoana isika no tsy mazoto miresaka ny amin'izany? Nahoana isika no variana amin'ny zavatry ny tany? Mandrisika antsika ny Apôstôly mba hanao ny lanitra ho fanjakantsika. "Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesôsy Kristy Tompo" - Fil. 3:20. (...) Ho avy tsy ho ela i Kristy mba hamory ireo niomana, sy hitondra azy ireo any amin'izany toerana be voninahitra izany. "Dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin 'izay miandry Azy, ho famonjena." - Heb. 9:28. 

Tiantsika ve ny misaina ny amin'izany toe-javatra izany sa irintsika ny hampihemotra izany? (...) Arakaraka ny iresahantsika momba an'i Jesôsy no hanehoantsika ny endrik'Andriamanitra. Voaova isika rehefa mibanjina Azy. Aoka ho ao anatin'ny fanandramantsika ara-pivavahana i Kristy. Rehefa tafavory ianareo, dia aoka i Kristy sy ny famonjeny no ho anton-dresaka amin'izany. (...) Arakaraka ny iresahantsika ny amin'i Jesôsy no ibanjinantsika bebe kokoa ny hatsarany tsy manam-paharoa. 

Ireo izay tsy mahita fahafinaretana amin'ny fisaintsainana sy firesahana momba an'Andriamanitra amin'izao fiainana izao dia tsy hahita fifaliana amin'ilay fiainana ho avy, izay misy ny fanatrehan'Andriamanitra eo amin'ny olony. Ireo izay tia misaina ny amin'Andriamanitra kosa dia hahatsapa fiadanana amin'ny fifohanany rivotryny lanitra. (...) "Ary tsy hisy ozona intsony; ary ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin 'ny handriny." - Apôk . 22:3,4.- Ma, t. 331.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal