Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: NY RAY, NY ZANAKA, ARY NY FANAHY - Ny Fanahy Masina

Daty
Alarobia 11 December 2024

Tsy mibahan-toerana loatra ao amin'ny Filazantsaran'i Jaona, tahaka ny Ray sy ny Zanaka, ny firesahana momba ny Fanahy Masina. Zava-dehibe ho an'ny fahombiazan'ny asan'i Jesôsy anefa ny anjara asan'ny Fanahy Masina.

Vakio ny Jao. 1:10-13, Inona no ampianarin'io toko sy andininy io antsika momba ny lanjan'ny Fanahy Masina eo amin'ny fiovam-po?

Hitantsika ao amin'ny toko voalohan'ny filazantsaran'i Jaona ny mahazava- dehibe ny anjara asan'ny Fanahy Masina. Ambaran'i Jaona amintsika fa izay rehetra nandray ny Teny, izany hoe nino Azy, dia tonga zanak'Andriamanitra, dia "ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak Andriamanitra." Jao. 1:13. Ny asan'ny Fanahy Masina irery no mahatanteraka izany.

Inona no ambaran'ireto andalan-teny manaraka ireto momba ny asan'ny Fanahy Masina? Jao. 3:5-8; Jao. 6:63; Jao. 14:26; Jao. 15:26; Jao. 16:7-11.

"Raha nilazalaza tamin'ny mpaminany ny asan'ny Fanahy Masina i Jesôsy, dia niezaka Izy hampiseho aminy ny fifaliana sy ny fanantenana izay nameno ny fony. Naharavoravo Azy ny fanampiana be dia be efa nomaniny ho an'ny fiangonany. Ny Fanahy Masina no ambony indrindra amin'ny fanomezana rehetra azony nangatahina tamin'ny Rainy ho fanandratana ny vahoakany. Homena ny Fanahiny Masina hiasa ho famelombelomana, ary raha tsy Izy dia tsy hisy vokany ny sorona nataon'i Kristy. Efa nitombo hery nandritra ny taonjato maro ny herin'ny ratsy, ary nahagaga ny fileferan'ny olona tamin'ny famaboana nataon'i Satana. Tsy azo toherina sy resena ny fahotana raha tsy amin'ny alalan'ny fiasa- maherin'llay persona fahatelo amin'ny firaisan'Andriamanitra, Izay tsy ovana ny heriny raha ho avy Izy, fa amin'ny fahafenoan'ny herin'Andriamanitra no hiaviany." - IFM, t. 560, ed. 2023.

Araka izany, dia fitahiana lehibe ny fandraisana ny Fanahy Masina, Izy izay manamafy fa marina Andriamanitra (Jao. 3:33). Ny Fanahy no mandresy lahatra ny amin'ny fahotana, ny amin'ny fahamarinana, ary ny amin'ny fitsarana (Jao. 16:8-11). Ny tsiambaratelo hahalalantsika ny tokony hatao, ny marina, ny tsara, dia ny fampileferantsika ny fisainantsika sy ny fanandramam-piainantsika amin'ny Tenin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny herin'ny Fanahy Masina izay mandresy lahatra antsika.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal