Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: MAHALALA AN'I JESÔSY SY NY TENINY - Mitoetra ao amin’ i Jesôsy

Daty
Alakamisy 26 December 2024

Vakio ny Jao. 12:32. Fomba ahoana no anehoan'izany fanambarana manaitra izany ny fahefana ananan'i Jesôsy Kristy?

Araka izay hitantsika manerana ny lesona nandritra ity telovolana ity, ny filazantsaran'i Jaona dia manintona antsika ho eo amin'i Jesôsy. Ny hany fepetran'izany anefa dia ny faniriantsika hahalala an'Andriamanitra sy hanao ny sitrapony. Manerana io filazantsaran'i Jaona io, ny olona izay nifanena tamin'i Jesôsy dia na nandray ny fahazavana ka nitombo na nanda izany fahazavana izany ka tonga jamba. I Nikodemosy, ilay vehivavy teo am-pantsakana, ilay tandapa, ilay lehilahy teo amin'ny farihin'i Betesda, ireo olona dimy arivo nofahanana tamin'ny mofo sy hazandrano, ireo rahalahin'i Jesôsy , ireo mpitarika ara-pivavahana, ilay lehilahy teraka jamba, i Maria sy i Marta, i Pilato - ireo rehetra ireo dia nifanena tamin'i Jesôsy ary nanao safidy mahakasika ny fahamarinana sy ny fahazavana izay nentiny.

Ny teôlôjia avy aty ambany dia miantomboka amin'ny adihevitr'olombelona mba hamaritana sy handinihana ny fisian'Andriamanitra sy ny toetrany. Mipetraka ho ambonin'ilay Andriamanitra masina sy tonga lafatra ary mahalala ny zavatra rehetra ny fomba fijerin'olombelona izay tsy tonga lafatra sy tratry ny fahalavoana ary feno hevitra mibahana mialoha. Azo antoka fa hitondra ny olona ho amin'ny lalan-diso ny teôlôjia avy aty ambany, tahaka izay efa nataony tamin'ny lasa sy mbola hataony amin'ny hoavy (jereo ny Apôk. 14:1-12), rehefa hanery an'izao tontolo izao hanao fiankohofana sandoka ny fahendren'olombelona izay mitady haka ny toeran'ny fahendren'Andriamanitra.

Vakio ny Jao. 15:1-11. Inona no tsiambaratelon'ny fitomboana sy ny fahasalamana ara-panahy?

Ny fanohizana ny fifandraisana amin'i Jesôsy no tsiambaratelo. Izy no Tenin’ Andriamanitra, Mofon'aina, Fahazavan'izao tontolo izao, Vavahadin'ondry, Mpiandry tsara, Fananganana ny maty sy Fiainana, Lalana, Fahamarinana sy Fiainana, ary tena Voaloboka.

Tahaka ny andriamby ireo Persona ao amin'Andriamanitra telo izay iray sy ny Teniny (ny Baiboly). Raha tsy toherina Izy ireo dia hisintona antsika ho eo Aminy. "Miteny amintsika amin'ny alalan'ny teniny ny feon'Andriamanitra; handre feo maro koa isika; efa niteny anefa i Kristy fa tokony hitandrina isika ny amin'ireo milaza hoe aty Kristy na ary. Ahoana àry no hahalalantsika fa tsy marina izay ambaran'izy ireny, raha tsy entintsika eo amin'ny Soratra Masina izany?" - The Advent Review and Sabbath Herald, 3 Avrily 1888. Rehefa izay, dia tsy maintsy mampilefitra ny fomba fijerintsika manokana eo anatrehan'izay voalazan'ny Tenin'Andriamanitra isika.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal