Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fampahatsiahivana tokana ny amin’ny fahotana.

Daty
Alahady 29 December 2024

« Indro, ny marina aza dia valiana ety an-tany, koa mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota! » Ohab. 11:31.

Mofon'aina:
Mandray ny valin’asany eto an-tany ny ratsy fanahy (Ohab. 11:31). Dia “ho vodivary” izy, “ka handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehôvah, Tompon’ny maro” – Mal. 3:19. (...) Samy hofaizina “araka ny asany” avy izy. Efa nafindra tamin’i Satana ny fahotan’ny tsara fanahy ka tsy hijaly noho ny fikomiana nataon’ny tenany fotsiny izy, fa noho ny fahotana rehetra nampanaoviny ny vahoakan’Andriamanitra koa. Ny famaizana hihatra aminy dia ho mafy lavitra noho ny an’ny olona nofitahiny. (...) Amin’ny farany dia ho levon’ny afo mpanadio ny ratsy fanahy, “na ny fakany na ny sampany”. Satana no fakany, ary ireo mpanaraka azy no sampany.

Hofongorana i Satana sy izay rehetra nanaraka azy teo amin’ny fikomiana. (...) “Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; handinika ny fonenany ianao, fa tsy ho hita izy”. “Ary ho toy ny tsy ary izy.” – Sal. 37:10.

Tanteraka ny fahamarinan’Andriamanitra, ary ny olona masina sy ny andian’anjely rehetra dia nanao tamin’ny feo mahery hoe: “Amena”. Mandritra ny fotoana hamonosan’ny afon’ny valifatin’Andriamanitra ny tany, dia mitoetra voaro ao anatin’ny tanàna masina ny olona marina. Tsy nanan-kery tamin’ireo nandray anjara tamin’ny fitsanganana voalohany ny fahafatesana faharoa (Apôk. 20:6). Afo mandevona Andriamanitra ho an’ireo ratsy fanahy, saingy masoandro sy fialofana kosa Izy ho an’ny olony (Sal. 84:11).

Manadio ny tany ny afo izay mandevona ny ratsy fanahy. Voafafa ny ozona rehetra. Tsy hisy helo mirehitra afo mandrakizay eo anatrehan’ny voavonjy hampahatsiaro mandrakariva ny vokatra mahatsiravina avy amin’ny fahotana.

Fampahatsiahivana tokana ihany no hitoetra: hitondra mandrakariva ny holatry ny nanomboana Azy tamin’ny hazo fijaliana Ilay Mpanavotra antsika. (…)

Tafaverina avokoa izay rehetra very noho ny fahotana. (...) Tanteraka ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany tamin’ny namoronany ny tany dia ny hanao azy ho fonenan’ny voavotra mandrakizay. “Ny marina handova ny tany, ka honina eo aminy mandrakizay.” – Sal. 37:29. – Ma, t. 348.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal