Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fampahatsiahivana tokana ny amin’ny fahotana.

Daty
Alahady 29 December 2024

« Indro, ny marina aza dia valiana ety an-tany, koa mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota! » Ohab. 11:31.

Mofon'aina:
Mandray ny valin’asany eto an-tany ny ratsy fanahy (Ohab. 11:31). Dia “ho vodivary” izy, “ka handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehôvah, Tompon’ny maro” – Mal. 3:19. (...) Samy hofaizina “araka ny asany” avy izy. Efa nafindra tamin’i Satana ny fahotan’ny tsara fanahy ka tsy hijaly noho ny fikomiana nataon’ny tenany fotsiny izy, fa noho ny fahotana rehetra nampanaoviny ny vahoakan’Andriamanitra koa. Ny famaizana hihatra aminy dia ho mafy lavitra noho ny an’ny olona nofitahiny. (...) Amin’ny farany dia ho levon’ny afo mpanadio ny ratsy fanahy, “na ny fakany na ny sampany”. Satana no fakany, ary ireo mpanaraka azy no sampany.

Hofongorana i Satana sy izay rehetra nanaraka azy teo amin’ny fikomiana. (...) “Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; handinika ny fonenany ianao, fa tsy ho hita izy”. “Ary ho toy ny tsy ary izy.” – Sal. 37:10.

Tanteraka ny fahamarinan’Andriamanitra, ary ny olona masina sy ny andian’anjely rehetra dia nanao tamin’ny feo mahery hoe: “Amena”. Mandritra ny fotoana hamonosan’ny afon’ny valifatin’Andriamanitra ny tany, dia mitoetra voaro ao anatin’ny tanàna masina ny olona marina. Tsy nanan-kery tamin’ireo nandray anjara tamin’ny fitsanganana voalohany ny fahafatesana faharoa (Apôk. 20:6). Afo mandevona Andriamanitra ho an’ireo ratsy fanahy, saingy masoandro sy fialofana kosa Izy ho an’ny olony (Sal. 84:11).

Manadio ny tany ny afo izay mandevona ny ratsy fanahy. Voafafa ny ozona rehetra. Tsy hisy helo mirehitra afo mandrakizay eo anatrehan’ny voavonjy hampahatsiaro mandrakariva ny vokatra mahatsiravina avy amin’ny fahotana.

Fampahatsiahivana tokana ihany no hitoetra: hitondra mandrakariva ny holatry ny nanomboana Azy tamin’ny hazo fijaliana Ilay Mpanavotra antsika. (…)

Tafaverina avokoa izay rehetra very noho ny fahotana. (...) Tanteraka ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany tamin’ny namoronany ny tany dia ny hanao azy ho fonenan’ny voavotra mandrakizay. “Ny marina handova ny tany, ka honina eo aminy mandrakizay.” – Sal. 37:29. – Ma, t. 348.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal