Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mankatò amin'ny saina

Daty
Alakamisy 06 February 2025

 "Ary amin'izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany hianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay." - 2 Pet. 1:10.

Mofon’aina:
Mendrika hamoizanao ny zavatra rehetra ny fiainana mandrakizay; hoy i Jesôsy: "izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro" - Lio. 14:33. Izay tsy manao na inona na inona fa miandry fotsiny ny hisian'ny hery ambonin'ny herin'olombelona hanery azy, dia hiandry ao anatin'ny fahatrotrahana sy ny fahamaizinana. Efa nanome ny teniny Andriamanitra . Amin'ny fomba mahitsy sy mazava no itenenan'Andriamanitra aminao. Tsy ampy ve ny teny aloaky ny vavan'Andriamanitra mba hanehoana aminao ny adidinao sy handrisika anao hanatanteraka izany?

Ireo izay mandinika ny Soratra Masina amim-panetren-tena sy fivavahana mba hahafantatra ny sitrapon'Andriamanitra, dia tsy hisalasala momba ny adidiny amin'Andriamanitra. Satria "Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin 'ny fampianarana izy" — Jao. 7:17. (...) Tsy maintsy mankatò amin'ny saina resy lahatra isika, ary tsy maintsy manao ny marina na inona na inona toe-java-mitranga. Izany no fomba notendren'Andriamanitra hahazoana famonjena.

Ahoana no ahafantarana fa Kristianina marina ny olona iray? Ao amin'ny tenin'Andriamanitra ny valiny: "Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko." — Jao. 14:15. "Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian'ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy. (..) Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy. Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an 'ny Ray Izay naniraka Ahy." — and. 21-24.

Izao no fepetra hifidianana ny fanahy tsirairay ho amin'ny fiainana mandrakizay. Ny fankatoavanao ny didin'Andriamanitra no porofo fa manan-jo amin'ny lovan'ny olona masina eo amin'ny mazava ianao. Misy toetra tsara notendren'Andriamanitra hananantsika manokana; ary izay mahatratra ny fenitra takiny amin'ny alalan'ny fahasoavan'Andriamanitra dia horaisina an-tanan-droa ao amin'ilay fanjakam-boninahitra. — CE, tt. 117,118. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal