Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mankatò amin'ny saina

Daty
Alakamisy 06 February 2025

 "Ary amin'izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany hianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay." - 2 Pet. 1:10.

Mofon’aina:
Mendrika hamoizanao ny zavatra rehetra ny fiainana mandrakizay; hoy i Jesôsy: "izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro" - Lio. 14:33. Izay tsy manao na inona na inona fa miandry fotsiny ny hisian'ny hery ambonin'ny herin'olombelona hanery azy, dia hiandry ao anatin'ny fahatrotrahana sy ny fahamaizinana. Efa nanome ny teniny Andriamanitra . Amin'ny fomba mahitsy sy mazava no itenenan'Andriamanitra aminao. Tsy ampy ve ny teny aloaky ny vavan'Andriamanitra mba hanehoana aminao ny adidinao sy handrisika anao hanatanteraka izany?

Ireo izay mandinika ny Soratra Masina amim-panetren-tena sy fivavahana mba hahafantatra ny sitrapon'Andriamanitra, dia tsy hisalasala momba ny adidiny amin'Andriamanitra. Satria "Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin 'ny fampianarana izy" — Jao. 7:17. (...) Tsy maintsy mankatò amin'ny saina resy lahatra isika, ary tsy maintsy manao ny marina na inona na inona toe-java-mitranga. Izany no fomba notendren'Andriamanitra hahazoana famonjena.

Ahoana no ahafantarana fa Kristianina marina ny olona iray? Ao amin'ny tenin'Andriamanitra ny valiny: "Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko." — Jao. 14:15. "Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian'ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy. (..) Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy. Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an 'ny Ray Izay naniraka Ahy." — and. 21-24.

Izao no fepetra hifidianana ny fanahy tsirairay ho amin'ny fiainana mandrakizay. Ny fankatoavanao ny didin'Andriamanitra no porofo fa manan-jo amin'ny lovan'ny olona masina eo amin'ny mazava ianao. Misy toetra tsara notendren'Andriamanitra hananantsika manokana; ary izay mahatratra ny fenitra takiny amin'ny alalan'ny fahasoavan'Andriamanitra dia horaisina an-tanan-droa ao amin'ilay fanjakam-boninahitra. — CE, tt. 117,118. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 11 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Inty aho, iraho aho
Mon 12 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ireo Kerôbima roa
Tue 13 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Tahaka ny vain’afo mirehitra
Wed 14 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Andriamanitra eo amin’ny vahoakany
Thu 15 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ny fahalavoan’i Losifera
Fri 16 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana
Sun 04 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fanati-poana
Mon 05 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ny ran’ombilahy sy ny ran’osioahy
Tue 06 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ilay zanak’ondrin’i Paska
Wed 07 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - I Jesôsy tao an-tempoly
Thu 08 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ianao no nahary ny zavatra rehetra
Fri 09 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fianarana fanampiny
Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal