Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Abrahama, ohatry ny fankatoavana.

Daty
Alatsinainy 17 February 2025

"Ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany, satria nanaiky ny teniko hianao." — Gen. 22:18.

Mofon’aina:
Nohavaozin'Andriamanitra indray tamin' i Abrahama teo amin'ny tendrombohitra Moria, tamin'ny fomba be voninahitra, ny teny fikasana ho an'ny taranany mandritra ny taonjato mifandimby: «Ny tenako no nianianako, hoy Jehôvah : satria nanao izany zavatra izany hianao ka tsy niaro ny zanakao, ilay lahitokanao, dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina. » (...)

Ny asan'ny finoana izay vao avy nasehon'i Abrahama ho ohatra dia mijoro ho toy ny andry afo, manazava ny dian'ny mpanompon'Andriamanitra rehetra hatramin'ny farany. Nandritra ny telo andro, teny am-pandehanana, dia nanana fotoana ampy izy mba hieritreretana sy hisalasalana na hanao na tsy hanao. (...) Olombelona mora azon'ny fahalemena sy mitovy toetra amintsika ihany izy, kanefa, tsy niahotra izy, na nanontany izay fomba hafa indray hahatanterahana ny teny fikasana, rehefa maty Isaka. Tsy niady hevitra akory tamin'ny fony naratra izy. Natoky izy fa marina izay rehetra notadiavin' Andriamanitra, ka dia nankatò ara-bakiteny izy. (...) 

Raha nanome baiko an'i Abrahama Andriamanitra mba hamono ny zanany, dia tsy ho fizahan-toetra ny finoany fotsiny izany, fa mba hanehoana indrindra koa tamin'ilay patriarka ny tena votoatin'ny Filazantsara. Ireo andro manjombona feno tebiteby sy hororoho izay lalovany, dia nanampy azy hahatakatra, - dia araka izay zavatra tsapan'ny tenany, - ny halehiben'ny fahoriana izay niaretan'Andriamanitra ho fanavotana ny olombelona. Tsy nisy fizahan-toetra nampangirifiry mafy ny fon'i Abrahama toy ny fangatahana aminy hanolotra ny zanany ho fanatitra. (…)

Porofo lehibe toy inona indray moa no mbola ilaina ho mariky ny famindrampo sy ny fitiavan'Andriamanitra? «Izy Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy nomeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?» - Rôm. 8:32 - PM, tt. 135-137, ed. 2014.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.
Sun 16 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fahatokiana.
Mon 17 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Omeo ahy iry tendrombohitra iry.
Tue 18 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ny herin’ny ohatra aseho
Wed 19 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ilay mahery fo manetry tena
Thu 20 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Voaova noho ny fibanjinana
Fri 21 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fianarana fanampiny
Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal