Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lalàna manan-danja amin'ny fotoana rehetra

Daty
Talata 18 February 2025

"Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra hianareo; fa Ahy ny tany rehetra. Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena marina ho Ahy hianareo. " - Eks. 19:5,6.

Mofon’aina:
Manambara ny fahatsaran'Andriamanitra io fanekena io (Eks. 19:1-6). Tsy nitady izany ny vahoaka. Tsy nanolotra ny tanany hifandray amin'Andriamanitra izy ireo, fa Andriamanitra no nanatsotra tamim-pitiavana ny sandriny tsitoha, nanasa azy ireo hisakambina Azy mba ho fiarovana azy ireo. An-tsitrapo no nifidianany vahoaka vao avy nandevozina tany Egipta mba ho lovany, vahoaka izay tsy maintsy nanarina sy nofanina isaky ny indray mandingana. Fanehoam-pitiavana sy fahatsarana lehibe avy amin'ny Tsitoha tokoa izany!

Navelan'ny Tompo handalo zava-tsarotra matetika izy ireo mba hanehoany aminy ny famindrampony sy ny hatsaram-panahiny amin'ny fanafahany azy. Raha mifidy ny tsy hino izy ireo izao, dia ny porofo hitan'ny masony ihany no isalasalany. Hitan'izy ireo ny porofo maha-Andriamanitra velona azy, "Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana" — Eks. 34:6. Teo anatrehan'ny mponin'ny lanitra manontolo no nanomezany voninahitra ny Isiraely. Notaominy ho eo Aminy izy ireo hanana fifandraisana sy firaisana Aminy ao anatin'ny fanekena.

Telo volana izao no nandaozan'ny zanak'Isiraely ny tany Egipta, ary nitoby teo anoloan'ny tendrombohitra Sinay izy ireo; teo no nanambaran'ny Tompo ny lalàny tamin'ny fomba miezinezina. Tsy niseho tao amin'irony trano mirentirenty nataon'ny tanan'olombelonairony Izy, na tamin'ny fitaovana narafitr' olombelona. Teo amin'ny tendrombohitra avo iray no nanehoany ny voninahiny, izay tempoly noforonin'ny Tenany. Nisandratra avo noho ny hafa rehetra ny tendrombohitra Sinay, teo anivon'ireo tendrombohitra mitomandavana teo afovoan'ny tany efitra. Io tendrombohitra io no toerana nofidin'Andriamanitra hanehoana ny Tenany amin'ny vahoakany.

Tao anatin'ny fahalehibiazana mahatahotra no nisehoany sy nitenenany tamin'ny feo avo teo anatrehan'izy ireo. Tsy mbola nisy fotoana nanehoany ny Tenany tamin'ny vahoakany tamin'ny fomba manetriketrika toy izany, izay maneho ny maha-zava-dehibe tokoa ny lalàna ho an'ny taona rehetra mifandimby. Irin'Andriamanitra manokana ny hitandremantsika ny didiny ankehitriny. — MR, b. 1, tt. 105,106. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.
Sun 16 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fahatokiana.
Mon 17 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Omeo ahy iry tendrombohitra iry.
Tue 18 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ny herin’ny ohatra aseho
Wed 19 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ilay mahery fo manetry tena
Thu 20 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Voaova noho ny fibanjinana
Fri 21 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fianarana fanampiny
Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal