Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Jesôsy, ohatra tonga Iafatry ny fankatoavana.

Daty
Talata 25 February 2025

"Ary niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy ka nanoa azy. Ary ny reniny nitahiry izany teny rehetra izany tao am-pony." - Lio. 2:51.

Mofon’aina:
Fony i Kristy roa ambin'ny folo taona dia nankany Jerosalema   niaraka tamin'ireo ray aman-dreny mba hanatrika ny andro firavoravoan'ny Paska Izy, ary tsy hitan'izy ireo tao anatin'ireo vahoaka be raha teny an-dalana hody izy ireo. Rehefa avy nikaroka Azy nandritra ny hateloana i Josefa sy i Maria, dia nahita Azy tao an-kianjan'ny Tempoly, "nipetraka teo afovoan'ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy. Ary talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany." - Lio. 2:46b-47. (...) Ohatra tonga lafatra ho an'ny tanora rehetra Izy. Naneho fiheverana sy fanajana ny olona amin'ny sokajin-taona rehetra Izy. Na oviana na oviana, tsy mba hitarika ny zaza hivatravatra fiteny sy tsy hahalala fomba ny fivavahan'i Jesôsy.

Talanjona i Josefa sy i Maria rehefa nahita an'i Jesôsy: "ka hoy ny reniny taminy: Anaka, nahoana no nanao toy izany taminay Hianao? He! izato alahelon-drainao sy izaho nitady Anao! Fa hoy Izy taminy: Nahoana no nitady Ahy hianareo?" Nanondro ny lanitra Izy sady nanohy hoe: "tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon'ny Raiko Aho?" (Lio. 2:48,49). Namirapiratra teo amin'ny maha-olombelona ny maha-Andriamanitra, raha niteny ireo Izy. Nampahazava ny endriny ny fahazavana sy ny voninahitry ny lanitra. (...)

 (...) Na dia tao anatin'ny fahazazany aza Izy dia nanao teny fankaherezana sy feno halemem-panahy tamin'ny tanora sy ny antitra. Tsy hain'ny reniny ny tsy hanamarika ireo teny nataony, ny toe-tsainy ary ny fahavononany hankatò teo anatrehan'ny fitakiany rehetra.

Tsy marina loatra ny filazana (...) fa tahaka ny zaza rehetra i Kristy. (...) Maro mantsy ny zaza ratsy taiza sy tsy nobeazina araka ny tokony ho izy. (...) Nampianarina araka ny fahamasinan'ny iraka nampanaovina Azy i Jesôsy. Fifaliana mandrakariva ho an'ireo ray aman-dreniny ny fironany ho amin'ny tsara. Ny fanontaniana napetrany tamin'izy ireo dia nitarika azy handinika amim-pahamatorana indrindra ireo lohahevi-dehiben'ny fahamarinana. Nanokatra ny sain'izy ireo sy nanazava izany ny teny (...) nambarany mahakasika ny zavaboary sy ilay Andriamanitry ny zavaboary. - YI, 8 Septambra 1898. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal