Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanamasinana mifandrindra amin'ny fankatoavana.

Daty
Zoma 28 February 2025

"Fa efa niely any amin'ny olona rehetra ny lazan'ny fanarahanareo. Ary faly aho noho ny aminareo; satria tiako ho hendry amin'izay tsara hianareo, ary tsy hiharo amin 'izay ratsy." - Rôm. 16:19.

Mofon’aina:
Nahasahy nandika ireo fitakian'ny Tompo i Adama sy i Eva, ary tokony ho fampitandremana ho antsika mba tsy hanarahantsika ny ohatry ny tsy fankatoavana nasehon'izy ireo ny vokatra mahatsiravin'ny fahotany. Izao no vavaka nataon'i Kristy ho an'ireo mpianany: "Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana." - Jao. 17:17. Tsy misy fanamasinana tena izy afa-tsy izay amin'ny alalan'ny fankatoavana ny fahamarinana. Ireo izay tia an'Andriamanitra amin'ny fony rehetra dia ho tia ny didiny koa. (...)

Tsy niova ny toetran'Andriamanitra. Izy ihany ilay Andriamanitra saro-piaro izay nanolotra ny lalàna tao Sinay sy nanoratra izany tamin'ny rantsan-tanany teo amin'ny vato fisaka. Mety hilaza ireo izay manitsakitsaka ny lalàna masin'Andriamanitra hoe: "voamasina aho" nefa samy hafa tanteraka ny hoe "voamasina" sy ny mitonona ho voamasina.

Tsy nanova ny lalàn' Andriamanitra ny Testamenta Vaovao. Mbola mafy orina tahaka ny seza fiandrianan'i Jehôvah ny fahamasinan'ny Sabata ao amin'ny didy fahefatra. Izao no nosoratan' i Jaona: "Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra ny ota; ary tsy mba misy ota ao Aminy. Izay rehetra mitoetra ao Aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy." - 1 Jao. 3:4-6.

Azontsika atao ny manombana ny olona tahaka izay nataon'ilay mpianatra malala, raha toa izy ireo milaza ho mitoetra ao amin'i Kristy sy nahazo fanamasinana kanefa mandika ny lalàn'Andriamanitra. (...) Hoy izy: "Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy. Izay manota dia avy amin 'ny devoly, satria ny devoly manota hatramin 'ny voalohany." - and. 7,8a. Fomba fiteny mazava no nampiasain'ny apôstôly eto noho ny fiheverany fa manan-danja ny fanaovana izany.

Toe-tsain'ny fitiavana no nampirisihin'ireo epistily nosoratan'i Jaona, saingy rehefa miresaka momba ny sokajin'olona mandika ny lalàn'Andriamanitra nefa mitonona ho tsy manam-pahotana izy, dia tsy misalasala mampitandrina azy ireo ny amin'izany famitahana mahatahotra izany [1 Jao. 1:6-10]. - SL, tt. 67-69. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal