Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8 : NY SAFIDY MALALAKA, NY FITIAVANA, ARY NY FITANTANAN'ANDRIAMANITRA - Tia an’Andriamanitra.

Daty
Talata 18 February 2025

Ny maha-mahefa ny zavatra rehetra an'Andriamanitra dia tsy midika tsy akory fa afaka manao zavatra tsy mifanaraka amin'ny fahendrena sy ny lôjika Izy. Araka izany, tsy azony atao ny manao izay hitiavan'ny olona iray Azy amin-kalalahana. Ny fanaovan-javatra iray amin-kalalahana mantsy dia midika ho fanaovana izany tsy misy faneriteren'ny hafa, koa tsy mitombina izany ny fibaikoana ny olona iray hanao zavatra amin-kalalahana. Raha fintinina, efa hitantsika, ary tsy maintsy averintsika tsipihina indray fa tsy azon'Andriamanitra atao ny manery ny olona ho tia Azy, satria tsy fitiavana intsony ny zavatra atao an-tery.

Vakio ny Mat. 22:37 sy ny Deo. 6:4,5. Inona no ampianarin'ireo toko sy andininy ireo antsika momba ny fisian'ny safidy malalaka?

Ny didy lehibe indrindra momba ny fitiavana an'Andriamanitra dia manaporofo fa irin’Andriamanitra tokoa ny hitiavan'ny olona rehetra Azy. Tsy ny olona rehetra anefa no tia Azy. Nahoana àry raha toa ataon'Andriamanitra tia Azy tsotra fotsiny ny olona rehetra? Averina indray ny antony tsy anaovan'Andriamanitra izany: tsy maintsy omena amin-kalalahana ny fitiavana ami n'ny maha-fitiavana azy.

Vakio ny Heb. 6:17,18 sy ny Tit. 1:2. Inona no ampianarin'ireo toko sy andininy ireo momba an'Andriamanitra?

Izao no ambaran'ny Nom. 23:19: "Andriamanitra tsy mba olona ka handainga." Tsy mandainga na oviana na oviana Andriamanitra (Tit. 1:2) fa mihazona ny Teniny sy ny fampanantenany (Heb. 6:17,18). Araka izany, raha nampanantena Izy na koa nanaiky fa hanao zavatra iray dia izany fampanantenana izany no hametra ny asa hataony amin'ny hoavy.

Midika izany fa na dia omena fahafahana manao safidy mifanohitra amin'izay tian’Andriamanitra aza ny voary, dia tsy miankina Aminy ny fanapahan-kevitra momba izay safidin'ny olombelona. Nanapa-kevitra ny hanome safidy malalaka ny voary Andriamanitra; azon'ny olombelona atao ny mampiasa ny fahalalahany amin'ny fomba samihafa izay manohitra ny fikasan’Andriamanitra tsara indrindra. Mampalahelo fa olona maro no mampiasa ny fahalalahana ananany araka izany fomba izany ka betsaka ny toe-javatra izay tsy ho nitranga raha ny fanirian'Andriamanitra saingy tsy miankina Aminy raha ny marina.

Inona ny zavatra nataonao neta fantatrao fa tsy tian'Andriamanitra hataonao? Inona no ampianarin'izany momba ireo vokatra (mety mampivarahontsana) ateraky ny safidy malalaka?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal