Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fomba fanararaotana ny fotoana.

Daty
Alatsinainy 10 March 2025

"Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao." — Efes. 5:15,16.

Mofon’aina:
Tsy hita hotombanana ny vidin'ny fotoana. Heverin'i Kristy ho sarobidy ny fotoana rehetra, ary toy izany no tokony hiheverantsika azy. (...) Tsy manana afa-tsy fotoana kely isika hiomanana ho amin'ny mandrakizay. (...) Izao isika no tokony hamolavola toetra amam-panahy ho amin'ny fiainana ho avy, ho amin'ny fiainana tsy ho lalovam-pahafatesana. Izao no fotoana iomanantsika ho amin'ny fitsarana farany.

Raha zara vao manomboka ny fiainany ny fianakavian'ny olombelona dia manomboka ny ho faty, ary ny asa tsy an-kijanona eto amin'izao tontolo izao dia miafara amin'ny zava-poana raha tsy nahazoana fahalalana marina momba ny fiainana mandrakizay. Ny olona izay mahatsapa ny fotoana ho toy ny andro fiasany dia hanomana ny tenany ho amin'ny fitoerana sy ny fiainana tsy holalovam-pahafatesana. Zava-tsoa ny nahaterahany.

Anarina isika hanararaotra ny fotoana. (...) Tsy azontsika antsoina hiverina na dia ny fotoana kely iray aza. Ny hany lalana azontsika hanonerana ny fotoanantsika, dia ny fanaovana ny be indrindra amin'izay atao amin'ny sisa, ho mpiara-miasa amin'Andriamanitra eo amin'ny drafitry ny fanavotana lehibe.

Hahita fiovana eo amin'ny toetra amam-panahy ny olona izay manao izany. Manjary zanak'Andriamanitra izy, anisan'ny fianakavian'ny Mpanjaka, zanaky ny Mpanjakan'ny lanitra. Mendrika hiara-mitoetra amin'ny anjely izy.

(...) Misy ireo izay mihevitra fa raha manome vola ho an'ny asan'i Kristy izy, dia izay ihany no angatahina hataony; ny fotoana sarobidy izay ahazoany manao asa manokana ho Azy, dia lasa fotsiny tsy ampiasaina. Nefa tombon-tsoa sy adidy ho an'izay rehetra salama sy matanjaka ny manao fanompoana sy asa ho an'Andriamanitra. (...) Tsy afaka hisolo ny fanoloran-tena ny fanomezam-bola.

Ny fotoana mety eo anoloantsika mba hilazana amin'ny fanahy mahantra iray ny tenin'ny fiainana dia mety tsy hiverina fanindroany intsony. Mety hiteny amin'io olona io Andriamanitra hoe: "Anio alina no halaina aminao ny fanahinao" - Lio. 12:20 ary noho ny tsirambina nataontsika dia mety tsy ho vonona izy. Amin’ny fomba ahoana no hanadiovantsika tena eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny andro fitsarana lehibe? — HF, tt. 353,354.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal