Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ampiasao ho voninahitr'Andriamanitra.

Daty
Alarobia 12 March 2025

"Fa izay rehetra manana dia homena, ka hanam-be izy; fa izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy." - Mat. 25:29.

Mofon’aina:
Tsy ny fanomezana lehibe sy miavaka ihany no takin'Andriamanitra sy ankasitrahany, fa takiny koa ireo talenta kelikely kokoa, ary hankasitrahany izany raha toa ampiasain'ny lehilahy sy ny vehivavy ho amin'ny Voninahiny. Moa ve isika tsy efa tonga mpanompon'ny Tompo noho ny Fahasoavany? Araka izany, tsy antsika ny fananana nankinina tamintsika fa (...) an'ny Tompo. (...)

Antenaiko fa hisy ezaka hatao any amin'ny fiangonana tsirairay mba hamohazana ireo tsy manao na inona na inona. Enga anie mba hataon'Andriamanitra izay hahatsapan'izy ireo fa hotakiny aminy ilay talenta sy ny tombony, ary raha manao tsirambina ny fanangonana talenta hafa ankoatra izany izy dia ho veriny ny talenta iray ananany ary ho very koa ny fanahiny. (...)

Efa miomana hiverina ny Tompon-trano ary hiantso ireo mpitantam-pananany mba hampamoaka azy ireo ny amin'ireo talenta nankininy taminy. Hamindra fo amin'ireo mitomoe-poana anie Andriamanitra! Ireo izay handre ny fankasitrahana hoe: "Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky" dia niasa mba hampitomboana ny fahaiza-manao sy ny fitaovana ananany ho voninahitr'Andriamanitra. Iza no ho tonga hanampy an'i Jehôvah, eny, hanampy Azy hamely ny mahery?

Miasa i Satana ary maharitra, jeneraly mahatoky izy eo amin'ny asa fitarihan-tafika ataony. Manana miaramila mpiambina eny rehetra eny izy. Inona kosa no ataon'ireo mpanompon'i Jesôsy Kristy? Moa ve miakanjo ny fiadiany izy ireo? Moa ve miambina sy mahatoky izy ka hahatsena sy hahatohitra ny tafika maherin'ny fahavalo, sa resin-tory ka manantena ny hafa hanao ny asany? (...)

Andeha isika rehetra hifoha, fa efa antomotra ny ora hilazana hoe: "izay manao ny tsy marina, aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy; ary izay masina, aoka mbola hihamasina ihany izy." - Apôk. 22:11. Izao indrindra no fotoana mety hikatsahana ny fahadiovana sy ny fahamasinan-toetra ary handraisana ny akanjo fotsy, mba hahatonga antsika ho vonona hanatrika ny lanonana fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. - RH, 14 Marsa, 1878. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal